Fisaorana
Teny fisaorana noho ny fampaherezana ny fianakaviana
Ny vadiny :
RANARISON Beby Denise
Ny zanany :
RASOLONJATOVO SOLOHERY Christiane
RASOLONJATOVO SOLOHERY Mamy
RAZAKAMIADANA Miray sy Aliravaka
Ny zafiny , ny zana-jafiny ary ny fianakaviana manontolo
Dia maneho ny fankasitrahana feno anareo tonga nidodododo ka nampionona, nankahery, niombom-bavaka, naneho ny fihavanana sy nanao ny soroka niara-nilanja ny mavesatra ary niombona alahelo tamin’ny niantsoan’ny Tompo hiara-hitoetra any Aminy ny malalanay :
Mpitandrina SOLOHERY Paul Xavier
Isaoranay manokana ianareo :
– mpikambana Birao foibe FPMA am-perin’asa
– mpikambana Birao foibe FPMA teo aloha izay niara niasa taminy
– fiaraha-miasa ny Mpitandrina FPMA (FMM)
– tafo sy fiaraha-mivavaka FPMA
– solontena avy ao amin’ny faritany sy sampana nasionaly iraisana
– solontena avy ao amin’ny komity sy vaomiera isan’ny ambaratonga avy
– solontena avy amin’ny Fiangonana FJKM any an-tanindrazana
– zanaka am-piezalana FJKM Isotry Fitiavana
– Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (Frantsa)
Hoy ny tenin’ny Apôstoly Masina hoe :
‘’Satria tsy iza fa ianareo ihany koa no fanantenanay sy hafalianay ary satroboninahi-pandresena hireharehanay eo anatrehan’i Jesoa Tompontsika, amin’ny andro hiaviany. Eny, voninahitray sy hafalianay tokoa ianareo ! ‘’
(Diem : I Tesalônisianina 2 : 19-20)