Fisaorana
Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara
« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika »
(2 Tim.1.8a)
Ho an’ny Mpitandrina sy ny Kristiana FJKM rehetra
Ry havana,
Ho aminareo anie ny Fiadanan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Ny Filohan’ny FJKM Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina, sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe ary ny Mpanatanteraka mpiara-miasa rehetra ato amin’ny Foibe dia maneho fisaorana feno ho an’ny Mpitandrina sy ny kristiana tsy an-kanavaka tamin’ny fitrotroana am-bavaka sy ny fanotronana ary ny fiaraha-miombom-bavaka tamin’ny fanolorana sy fametrahana amin’ny andraikiny ny Filohan’ny FJKM sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe izay notanterahina tamin’ny Alahady 25 Septambra 2016 lasa teo tao amin’ny Palais de Sports Mahamasina. Misaotra tamin’ny fanehoam-pitiavana nataonareo tamin’ny fomba samy hafa sy ny fahatongavanareo marobe.
Mbola manantitra etoana ny fialantsiny ho an’ireo izay tsy tafiditra tao anatin’ny toerana nanatanterahana ny fiombonam-bavaka, noho ny hamaroan’ny olona.
Ny Tompo anie hampitombo ao aminareo mandrakariva amin’ny fahasoavany.
Mirary soa ry havana.
Antananarivo, faha-28 Septambra 2016
Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe
Ny Sekretera Jeneraly
MARINASY, Mpitandrina