Fanompoam-pivavahana / Teny Anglisy

“To God only be the glory”

Feno hipoka araka ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ny FJKM Katedraly Analakely tamin’ny Alahady 13 Febroary 2022 tolakandro teo nandritra ny fanokafana ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy tanterahin’ny FJKM. Ao anatin’ny « Hazakazaka Masina » ny fitrandrahana ny fanomezam-pahasoavana samihafa hitoriana ny Filazantsara ka anisan’izany ny tenim-pirenena vahiny. Teny be mpampiasa indrindra maneran-tany ny teny anglisy, ny FJKM rahateo dia zanaky ny misionera anglisy London Missionary Society (LMS) . Koa tsy mahagaga raha marobe toy izao ny kristiana FJKM miombona amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy. Tanora mbola mpianatra ny ankamaroan’ireo tonga nanatrika ny fotoana, fa tsy vitsy koa ny olon-dehibe izay efa ao anatin’ny sehatry ny asa. Samy nahazo tombony roa lehibe farafahakeliny izy rehetra ireo satria sady nandray ny Filazantsara no nahavita ny fampiharana ny teny anglisy izay nianarana. Amin’ny teny anglisy ranofotsiny ny fanompoam-pivavahana, na ny hira sy vavaka na ny toriteny sy tsodrano, hatramin’ny filazana ny raharaham-piangonana koa aza. Nitoriteny tamin’io fotoana io Andriamatoa RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa, Mpitandrina, Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ka nanambara fa raha te hanova ny tantara ny FJKM dia atomboka amin’ny fanamby kely iray isam-bolana ataon’ny isam-batan’olona izany, dia fanamby an-tapitrisany no ho tanteraka ao anatin’ny efa-taona ka hanova ny Fiangonana sy ny firenena tena hiaina araka ny sitrapon’Andriamanitra. Fampiharana izany mihitsy izao natomboka izao, satria tsy ho ela dia hivelatra ivelan’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny asa. Ireo Komity Mpanomana ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy dia mbola somary vitsy an’isa ka miantso namana izy ireo hanatevin-daharana izany komity izany. Hotaterahina isam-bolana ny fanompoam-pivavahana ka amin’ny Alahady 13 Martsa 2022 indray ny fotoana manaraka izay hotanterahina ao amin’ny FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo, amin’ny 3 ora tolakandro. “To God only be the glory” na ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Niry Rakoto