Fanolorana ireo Tomponandraikitra : MF,SG,Tonia 3

« Koa aza menatra  ny ho vavolombelon’ny Tompontsika  » 2 Tim 1.8

Ny Foibe FJKM  dia faly   manasa antsika mpianakavin’ny finoana amin’ny Fanompoampivavahana  ho fisaorana sy   fiderana an’ Andriamanitra hanolorana  sy hametrahana  ireo Tomponandraikitra vao voafidy  dia ny Mpikambana ao amin’ny Mpiandraikitra Foibe  ,ny Sekretera Jeneraly ,ny Tonian’ireo Departemanta telo .

Izany dia hotanterahina ao amin’ny

FJKM Analakely

-Alahady 23 Oktobra 2016 , 2 ora sy sasany .

Tongava maro  ho fanehoana ny fiombonana ho Voninahitr’ Andriamanitra .