Fanokafana ny Taompianarana vaovao ( 2016-2017)

 

FANASANA

« Ary  ianareo  koa dia vavolombelona hanambara » Jaona 15.27a

Ny Foibe Fitondran-tSekoly FJKM  dia faly  manasa  ny Fianakaviamben’ny Sekoly FJKM , ny Tale FPMP ,ny Talen-tSekoly , ny Mpampianatra , ny Mpianatra , ny Raiamandreny  ary   ny mpianakavin’ny finoana  hiara- hanome voninahitra  an’ Andriamanitra  amin’ny Fanompoampivavahana  ho fangataham-pitahiana  sy fanokafana  ny Taompianarana  2016-2017 .

Izany   dia hatao  ny Sabotsy   29 Oktobra  2016 , manomboka  amin’ny 9 ora maraina  ao amin’ny FJKM MAHANORO  Fahazavana (SP KRIFATA, 32).

Ankasitrahana  amin’io fotoana  io ireo Sekoly  sy  mpianatra   mendrika  tamin’ny Taom-pianarana 2015-2016. Hisy   koa ny  fanofanana ireo Talemparitra  sy  Talen-tSekoly rehetra  izay tonga   any Mahanoro  ny 27 -28 Oktobra 2016 .

Koa manentana  ny rehetra  hiomana   ho amin’izany fotoana izany .

Ny Tale Nasionalin’ny Sekoly FJKM

RATSIMBA Prisca Hanta