FANAZAVANA PERIKOPA Novambra 2016
Ankasitrahan’ny Tompo ny asan’ny mino.
Ny alahady farany amin’ity volana novambra ity no manokatra ny vanim-potoan’ny Fiangonana antsoina hoe: “Advento”.
Alahady efatra ny advento ka hisongadinan’ny loko litorjika maitso izay maneho ny fiandrasana amim-pifaliana ny fihavian’ny Tompo Jesoa dia i Jesoa Kristy, Mpamonjy izao tontolo izao, Ilay teny tonga nofo ka nonina tamintsika no tsaroana, kanefa mbola andrasana amim-panantenana ny ho fihaviany indray amin’ny voninahiny hitsara ny velona sy ny maty.
Ankoatr’izany ny loko litorjika maitso dia maneho ny fanantenam-pamonjena. Koa tsy maintsy mby ao an-tsaina ireo hevi-dehibe ireo eo ampandinihana ny perikopa mandritry ny advento.
Ny perikopa voalahatra amin’ny Alahady 27 novambra 2016 no hiaraha-mandinika eo amin’ny mason’ny vanimpotoan’ny advento sy ny loha-hevitra hoe: ankasitrahan’ny Tompo ny asan’ny mino.
Ny asan’ny mino dia mifototra amin’ny fanambarana ny fihavian’ny famonjena amin’ny olona ankilany ary ny fanomanana rehetra ilain’ny ho fandraisana Ilay Mpamonjy andaniny . Manana adidy ny Fiangonana mba hanambara sy hanao asa lehibe dia:
Asa mila hetsika manatona ny hafa (Isaia 62, 10- 12) mba hitondrana ny vaovao mahafaly aminy, ka anentanana azy hoe: “mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady”
Asa mila fihavaozam-pamindra (Isaia 62, 10- 12), araka ny fandidiana hoe: “amboary ny lalana halehan’ny olona”. Ny ho fihavaozana eto dia ny ho fiheverana ny lalam-pamonjena ho ambony sy lehibe satria voasandratra ho avo ambonin’ny lalana rehetra sady migodana azon’ny rehetra aleha satria tonga “lalambe, voasandratra”.
Asa mila fihoarana amin’izay mety handavo (Isaia 62, 10- 12), noho ny fisian’ireo zava-mandavo izao tontolo izao, amin’ny endriny samihafa, ka andraisana ny baiko hoe: “esory ny vato eny aminy”. Ao amin’ny Lioka 19, 11- 28, tamin’ny endri-panoharana nataon’i Jesoa no maneho fa na dia eo aza ny vahoaka izay mandà ny fanjakan’ny tompony dia tsy voafitak’izany ireo mpanompo nanatanteraka ny baikon’ny tompony mba hampitombo ny farantsa nomena azy. Afa-nihoatra ny vahoaka mpikomy izy ireo. Isan’izay mandavo ny mpiasa maro ny filan-tsitraka ka ananaran’ny Apostoly Paoly ny Fiangonana tao Kolosia izany araka ny taratasiny, ao amin’ny Kolosiana 3, 22.
Asa fanehoana Ilay Andriamanitra Mpamonjy (Isaia 62, 10- 12), amin’ny alalan’ny fanehoam-pamantarana sy ny fanehoana Ilay Mpamonjy mivantana. Ny asa fanompoana ataon’ny mino no maneho an’Andriamanitra inoany.
Ny Kolosiana 3, 22- 25 ohatra dia ahitana taratra fa ny olona miasa dia mahafantatra ny fisian’ny Tompony, izay mibaiko sy hamaly fitia azy, ka ny asany no anehoany ny fisian’ny Tompony.
Asa mitaky fankatoavana Ilay Tompo (Lioka 19, 11- 28 sy ny Kolosiana 3, 22- 25), miendrika fampitomboana izay harem-pahasoavana noraisina avy tamin’Andriamanitra izany, toy ny farantsa iray tonga dimy na folo.
Ny Kolosiana eto dia mandidy mivantana ho amin’ny fankatoavana ny Tompo Jesoa, toy ny fankatoavan’ny mpanompo ny tompony.
Fa raha tohizana ny fandinihana ny perikopa araka ny lohahevitra dia azo ambara fa ny fankasitrahana antenaina dia isan’izay fandrisika ho amin’ny fanatanterahana ny asan’ny mino.
Ireto misy endri-pankasitrahana azon’ny mino antenaina:
– Isaia 62, 10- 12: Famonjena, valim-pitia omen’Andriamanitra, valin’asa omen’Andriamanitra, fanomezan-toerana vaovao (hotononina hoe: firenena masina), fanavotana, fiarahana amin’Andriamanitra (ilay notadiavina, Tanàna tsy foy)
– Lioka 19, 11- 28: fahazoana fahefana hitondra na hanapaka olona, fahazoana tombony mihoatra noho izay efa ananana, famonjena eo anoloan’ny fitsarana (fitsaran’Andriamanitra)
– Kolosiana 3, 22- 25: anjara lova avy amin’Andriamanitra
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina