Fananganana Fiangonana vaovao an-drenivohitra ( II)
SANTIONANY AMINâIREO TOMBONTSOA AZO AMINâNY FANORENANA FIANGONANA VAOVAO ETO ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA
Azo heverina fa maro no mety ho tombontsoa aminâny fanorenana fiangonana vaovao ary mahakasika anâAndriamanitra, ny olona manodidina sy ny mino tsirairay, ny fiangonana ankapobeny, ny Mpitandina, fiaraha-monina sy ny firenena mihitsy aza izany.
Ny mahakasika anâAndriamanitra
Miteraka fifaliana ho anâAndriamanitra izany satria azo antoka fa ny fisianâny fiangonana iray mijoro dia heverina tokoa fa hisy olona, na dia iray aza, farafaha-keliny, hibebaka ary hiala aminâny fahotany ka hanolo-tena ho isanâny mino sy ho isanâny fiangonanâAndriamanitra. Tonga olom-baovao. Izany no tena mahafaly ny Tompo ka mampisy fifaliana lehibe any an-danitra.
Ny olona manodidina sy ny mino tsirairay
Misy ary efa miha-maro ireo tsy afaka mamonjy fiangonana intsony noho ny fahalaviranâny toerana misy ny fiangonana na koa noho ny tsy fahasalamana na mety ho fahanterana. Eo ihany koa ny tsy fahasahiana miala an-tanĂ na noho ny aminâny fandriampahalemana. Ireo tsy mbola mandeha mihitsy satria lavitra ny fiangonana. Ireo niala tao aminâny fiangonana noho ny disadisa samihafa taminâny tomponandraikitra na taminâny mpiara-mivavaka. Ny fisianâny fiangonana manakaiky azy eo anefa, dia manampy be dia be azy ireny handresy ny fakam-panahy hipetraka fotsiny na sanatria hifindra fiangonana hafa izay mety miorina manakaiky azy eo.
Ny fiangonana ankapobeny
Tsy isanâireo fiangonana momba fa tena miteraka ary mihevitra izay hampivelatra kokoa ny fiangonana sy ny asanâAndriamanitra aminâny ankapobeny. Voasoratra eo aminâny tantara ny asa goavana nataony aminâny fanitaram-piangonana mba ho voninahitrâAndriamanitra. Manana asa atao ary asa misokatra aminâireo mila vonjy ny fiangonana. Tsy fotodrafitrâasa fotsiny izany fa tena fitaizana feno sy mitohy ho fanohizanâasa maharitra ary mahakasika ny olona rehetra sy ny olona manontolo mihitsy.
Mitombo indray ny isanâny fiangonana eto an-drenivohitra izay heverina hatanjaka aoriana kely, ka hifanampy aminâny fanatrarana haingana ireo faritra manodidina,izay mila mpitory Filazantsara ka hanao Tafika Masina any. Izay ilay antsoina ihany koa hoe mpianatra mampitombo.
Ny Mpitandrina
Noho ny fahamaroana loatra ao aminâny fiangonana iray, dia misy tsy araky ny Mpitandrina intsony ny asa fanaraha-maso ny fiainam-panahinâny Kristiana. Miteraka havizanana tafahoatra izany, ary mitarika aretina aza ho anâny sasany. Tsy hatahorana ihany koa ny hivadihanâny olona sasany aminâny fivavahana aminâolona (culte de personnalitĂ©) ka hoe: ââtsy maintsy i Pasitera ihany no mitory vao mahazo aina aho.ââ Mba misy fiangonana vaovao hametrahana ireo Mpitandrina efa ela nihetezana ka tokony hiakatra an-drenivohitra kokoa indray. Mety hampihena ireo disadisa maharitra sy saro-bahana misy ao am-piangonana eo aminâny samy mpivavaka na ny mpivavaka sy ny tomponandraikitra samihafa.
Ny fiaraha-monina sy ny firenena.
Manampy ny fiaraha-monina aminâny fitaizana ny mponina eo aminy ny fisianâny fiangonana eo aminâny tanĂ nany, ary mariky ny fanekena ataonâAndriamanitra aminâizany faritra izany rahateo ny fiorenanâny fiangonana manakaiky ny olona. Miteraka fahasambarana ho anâny firenena izany; satria raha ny tokony ho izy dia ny fiangonana =mino maromaro mitambatra. Ireo mino ireo kosa aminâny ankapobeny, dia olona mandray andraikitra feno ary mijoro ho vavolombelona ao aminâny fiaraha-monina misy azy. Fitahiana ho anâny fiaraha-monina araka izany ny fisiany ao.
Fehiny
Ny fananganana fiangonana vaovao eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, dia tena fanamby atrehintsika fiangonana sy ny kristiana FJKM rehetra. Fanamby satria tsy maintsy mila faharesen-dahatra avy aminâny tsirairay ny fanatanterahana azy. Ary tena asanâny fiangonana manontolo satria asa vadi-drano ka mila fiaraha-mientana. Ny Tompo hanome hery antsika hazoto aminâny fanompoana anâAndriamanitra sy ny fiombonana aminâny asa ho Voninahitry ny Tompo.
Ny Evanjelisitra an-tĂ nan-dehibeÂ
ANDRIANANDRIANINA Harisoa, Mpitandrina FJKM ,  2018