Fanambadiana/Olana 10
Fandalinana
OLANA 10 MAHAZO NY FANAMBADIANA
Toy ny renirano mikoriana ny fitiavana : mandalo vato misakana, mianjera anaty hantsana, fa mitohy hatramin’ny farany ny diany. Izany koa no tokony hizoran’ny fanambadiana rehetra, rehefa fantatra mialoha fa hisy vato na hantsana holalovany. Ireo no atolotra eto ireo olana 10, izay efa vahaolana sahady ny fahafantarana mialoha izany. Ary ampiantsika olana faha 11.
- TSY AMPY SERASERA
Fony vao niaraka, dia nifampitantara ny zavatra rehetra, mihaona sy miaraka hatrany. Mihena tsikelikely izany taty aoriana. Mety hampihena koa ny fitiavana izany. Ny fiaraha-mivavaky ny fianakaviana, dia tena serasera lehibe.
- TSY AMPY FIFAMPITOKISANA
Hita eny amin’ny fitadiavan’ny iray mitsikilo ny fiainan’ny olon-tiany izany : finday, olona iresahana, solosaina, fanontaniana tsy misy farany tamin’izay natao sy naleha. Ny lehilahy dia mpiteny hoe “ianao ve tsy matoky ahy e?” Mila fitokisana ny lehilahy.
- SAROPIARO
Mety ho porofom-pitiavana ity, toa tsy mahatsiaro tia raha tsy saropiaro hono. Nefa rehefa tafahoatra dia toy ny aretina ihany. Tsy afa-miaina malalaka intsony maha saropiaro. Ny vehivavy no mpiteny hoe “ianao ve tsy tia ahy e?” Mila fitiavana ny vehivavy.
- FITIAVANA TSY MAHAY MIARAKA
Samy manana ny tiany ny roa tonta, ka sahirana mandrindra izany. Zavatra maro no mety isehoan’izany. Fa ilaina ny manana Vina iraisana, mba hibaiko ireny fitiavana ireny.
- FANANAHANA
Somary tsy sahy resahina loatra ity olana ity. Anisan’ny fototra mampikorontana ny tokantrano anefa io, hatramin’ny 70% mihitsy. Mila fahafinaretana ifampizarana ny fananahana, ka samy afapo amin’izany (I Kor 7:3)
- VOLA
Ity no anisan’ny olana haingana sy mipoitra vetivety. Alamino ny fitadiavana, ny fitantanana sy ny fandaniana. Samy miara-mihevitra ny mpivady, fa tsy anjaran’ny iray fotsiny. Ny vola hono, no tanana fahatelo hihetsehan’ny olona.
- SAMY HAFA NY MAIKA
Miova ny olona tsirairay, araka ny fandrosoan’ny fotoana: ny zaza milalao, ny tanora mihira, ny manambady mitady vola, ny olon-dehibe mitaiza zafikely. Manaraka izany koa ny ataony ho maika aminy. Jereo hatrany izay marimaritra iraisana, ho fitandroana ny fanambadiana.
- FOTOANA
Mandeha haingana tokoa ny fotoana, ka na ny mpivady aza dia toy ny tsy miara-miaina sy mifankahita, noho ny hazakaza-davan’ny fiainana. Ivereno iainana hatrany ireny fotoana mamy niarahana niaina fony vao niaraka ireny.
- FAHALEOVANTENA LOATRA
Novoizin’ny taonjato faha 21 ity fahaleovantenan’ny olona ao anaty fanambadiana ity: samy manana ny volany, ny alehany… Mijere hatrany anefa zavatra azonareo iaraha-manao, toy ny mikarakara zaridaina rehefa faran’ny herinandro.
- TSY AMPY FITIAVANA
Rehefa mitombo ny taona niarahana, dia hoatran’ny adino ny porofom-pitiavana. Mila teny kely mamy hatrany anefa ny roa tonta, hampitombo fa miaina amin’ny fitiavana. Ireny no porofom-pitiavana mahamafy orina azy.
- ARA-PANAHY
Ankoatra ireo olana 10 ireo, dia tsy mora ny miatrika ny lalan’ny fanambadiana , ho an’ny finoana samy hafa. Ny iray Silamo mankany amin’ny moskea, baikoin’i Allah sy ny Coran. Ny iray Kristiana mankany am-piangonana, baikoin’i Jesoa sy ny Baiboly. Mifandefitra eo amboalohany, fa sarotra ihany ny hiainana ny finoana samy maka ho azy. Indrindra rehefa mihevitra ny hoavy ara-panahin’ny zanaka.
- Zaka, Mpitandrina