Fanabeazana / Fiarovana ny sosona ôzôna

16 Septambra :

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’

NY FIAROVANA NY SOSONA ÔZÔNA

Ny faha 16 ny volana Septambra, io no natao ho andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny sosona ôzôna.Tamin’ny taona 1994, ny antenimieran’ny Firenena mikambana no nanosotra io daty io, izay tsingerintaona nanaovana sonia ny Protocole de Montréal notanterahana tamin’ny 1987, fifanekena iraisam-pirenena mikatsaka ny hampihenana na hanafoanana ireo singa izay mampahantra ny sosona ôzôna. Tamin’izany fotoana izany (1994), no nahitana voalohany ny momba ireo kilavadavaka amin’ny sosona ôzôna ary ny voka-dratsiny ho an’ny tontolo iainana sy ny olona.

  1. Ny atao hoe sosona ôzôna na « couche d’ozone » 

Ny sosona ôzôna, antsoina ihany koa hoe “Ozonosphère” dia sosona iray ao anatin’ny atmosfera, ny marina kokoa ny Stratosfera na“Stratosphère » ary tena ambony dia ambony ny tahan’ny Ôzôna ao aminy. Manodidina ny 20km eo ho eo ny haavon’io sosona ôzôna io ao amin’ny Stratosphère. Amin’izao fotoana izao dia hita fa misy lavadavaka ny sosona ozone na antsoina amin’ny teny vahiny hoe « trou dans la couche d’ozone ».

  1. Ny anjara asan’ny sosona ozone

Manakana ny fahatongavan’ny tara-masoandro mahery vaika tsy hamono ny zava-mananaina sy zava-maniry ety ambonin’ny tany no tena anjara asa goavana ataon’ny sosona ôzôna. Raha hazavaina dia mitroka ny taratra “Ultra- violet “avy amin’ny masoandro izay tena mitera-doza ho an’ny zavamananaina ety ambonin’ny tany.

Ohatra : Ireo taratra ultra violet ireo no mahatonga ny homamiadan’ny hoditra,fahamaizan’ny sela amin’ny maso (na brûlures oculaires) ary koa ny faharefon’ny hery fiarovan’ny vatana.

  1. Ireo antony mahasimba ny sosona ôzôna 

Antony ara-boajanahary na « causes naturelles » : ny pentin’ny masoandro na ny « tâches solaires »,ny fipoahana volkano izay mamoaka Chlore be dia be dia anisan’ny mahasimba ny sosona ôzôna. Antony avy amin’ny fihetsiky ny olombelona na “causes anthropiques”: ny entona Broma sy Chlore ary ny Oxyde d’azote be loatra izay avy amin’ ireo zavatra jifain’ny olombelona no tena mahatonga ny fahapotehan’ny ôzôna. Voaporofon’ny manam-pahaizana fa ireo fitaovana fampiasana an-davanandro indrindra ho an’ny olona aty an- drenivohitra, izay ambony be ny tahan’ny CFC na chlorofluorocarbures avoakany no mahatonga izany, toy ny : vata fampangatsiahana, ny fampangatsiahana efitrano« air conditionné », ny entona ao anatin’ny bombes aérosols( ireny fandokoana fiara sy bisikilety atifitra ireny.), ny fitaovana famonoana afo “extincteur”

  1. Ny fihetsika tsara azon’ny tsirairay atao mba hiarovana ny sosona Ozone

Zava-dehibe ny fahafantarana fa tadindomin-doza ny fahasalamana sy ny tontolo iainana noho io fahasimban’ny sosona ôzôna io. Ary mahakasika antsika rehetra ny fiarovana azy, na ny ny lehibe na ny kely. Tsy ny ety an-drenivohitra ihany fa na ny any ambanivohitra koa aza.

 Raha hiresaka manokana momba ny lavaka amin’ny sosona ôzôna, dia ireto no azo atao :

o Ho antsika mandeha miantsena : jereo tsara ny singa ao anatin’ny entana vidina toy ny vata fampangatsiahana, ny extincteur, ny bombe aérosols, ny déodorant, sns. Raha ambony be ny tahan’ny hydrocarbures halogènes na ny CFC ao anatiny dia manimba ny sosona ôzôna izy izany, Tokony tsy hampiasa vata fampangatsiahana izay novokarina talohan’ny taona 1995 izay ambony be ny tahan’ny chlorofluorocarbones havoakany, indrindra raha simba ka misy fipariahana ny entona.

 Misy ihany koa fihetsika azo atao amin’ny andavanandro mba hampihena ny tahan’ny entona izay manimba ny sosona ôzôna, tsy inona izany fa ny “ oxyde d’azote”:

– Miady ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana toy ny fandraisana anjara amin’ny hetsika fambolen-kazo, ny fanadiovana tanàna,

– Fampihenana ny fampiasàna fiara

-Fandehanana an- tongotra na mandray fitateram-bahoaka na ihany koa mandeha bisikileta

-Ny tsy fihinanan-kena be loatra. Ny zezika tokoa dia mamoaka oxyde d’azote betsaka.Araka izany dia ireo toeram-piompiana akoho na omby no tena mpamoaka io entona io.Ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin’izay fihetsika tsotra hiarovana ny sosona ôzôna dia efa hetsika lehibe ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Fifandraisana SAF/FJKM

Septambra 2017