Fametrahana ny Filohan’ny FJKM amin’ny andraikiny

FIOMANANA AMIN’NY FAMETRAHANA NY FILOHAN’NY FJKM

Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety androany 22 Septambra 2016 ny Tomponandraikitra ao amin’ny FOIBE FJKM , nosoloan’ Andriamatoa RADIMISAON Jonah , Mpitandrina , Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana sy Andriamatoa NIRINARISON William Mpitandrina , Mpanampy ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM .

Nohamafisina tamin’izany ny Fanompoampivavahana lehibe manamarika manokana ny fiainan’ny FJKM dia ny fametrahana amin’ny fomban’ny Fiangonana ny Filoha . Izany dia hatao ao amin’ny PALAIS DES SPORTS , ny Alahady 25 Septambra 2016 ho avy izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany . Sambany ary voalohany no nisian’ny fametrahana ny Filohan’ny FJKM ho amin’ny andraikiny sy ireo Biraon’ny Mpiandrakitra Foibe izay hitantana mandritra ny efa-taona indray .

Hisy Rakitra indroa hotanterahana ao anatin’ny fotoana , ka ny voalohany dia hiatrehana ny fandaniana samihafa amin’izany fotoan-dehibe izany , ary ny faharoa dia ho fiomanana amin’ny Jobily faha- 50 taonan’ny FJKM amin’ ny taona 2018 .Na izany aza anefa dia tsy hadinointsika ny tsodrano zava-mahery omentsika ny Filohan’ny FJKM vaovao mba hahaleo hahalasa amin’ny fitondrana izao andraikitra lehibe sy makadiry izao .

Noho izany dia manentana antsika kristiana FJKM manerana ny lafy valon’ny Nosy ho tonga maro . Antsika io fotoana io . Hisokatra amin’ny 12 ora ny vavahady mba hahafahantsika miditra milamina sy haka izay toerana mety amintsika . Marihana fa maro ireo vahiny nasaina hanatrika izany fotoana izany

Ento ambavaka àry ny fotoana , mba samy handraisantsika fitahiana , handrosoantsika hatrany amin’ny fanompoana ny Fiangonana ho Voninahitry ny Anarany .

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

Rtoa Sahondra Rabelison