FAMBOLENKAZO 2017

FILAZANA

Ny FOIBE FJKM dia manao antso amintsika Fitandremana sy ny isam-batan`olona mba handeha hiaraka hamboly hazo, araka izao :

  • Daty : 04 Febroary 2017
  • Ny toerana : FIHAONANA, Ankazobe , 60 km miala an`Antananarivo
  • Ny toerana hiarantsika miainga dia eo ANTANIMBARINANDRIANA MAHAMASINA amin`ny 7 ora maraina
  • Sarandalana : 2000 Ariary , mandroso sy miverina
  • Samy mitondra ny sakafony ny tsirairay
  • Manatona ety anivon`ny Foibe izay hisoratra anarana ho amin`izany

Manantena ny fiarahantsika mientana sy ny fifanomezan-tànana.