CELERI / Vokatsoa entiny
Ny « Céleri » sy ny zava-tsoa entiny ara-pahasalamana
Fahagola, na ny marimarina kokoa dia nanamarika ny andro fahazazana tokoa ny fofona manitra ateraky ny lasopy misy Céleri ao amin’ny efitranontsika malagasy rehefa mody hariva reraky ny fianarana iny ianao. Izay ihany matetika no ahafantarantsika ny Céleri, dia izy atao amin’ny sakafo, indrindra amin’ny lasopy legioma. Na izany aza efa tsy vitsy ny olona mahafantatra ny zavatsoa entin’ny Céleri eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Mendrika ny hahafantatra izany ihany koa ny mpamaky ny Gazety Marturia Vavolombelona. Ety am-piandohana anefa, na dia tsy manavanana anay loatra ny manao toy izany, dia tiana ny manamarika fa avo ny tahan’ny sodioma (sira) ao amin’ny Céleri, ka tsy dia mety loatra ho an’ny olona voan’ny Albumine, na ireo tsy mahazo mihinan-tsira. Tsy mety ho an’ny vehivavy mitondra vohoka ihany koa noho izany ny fihinanana ny Céleri.
Ny Céleri sy ny tosidrà.
Raha ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana rehetra manerantany aloha no jerena dia tsy misy na dia iray aza sahy manohitra ny fahatsaran’ny Céleri. Ireny fikarohana ireny moa dia atomboka eo amin’ny biby ny fanandramana azy ary nahitana fahombiazana izany, satria misy ilay singa antsoina hoe « 3-n-butyl phtalide », izay hita ao amin’ny Céleri, nampihena 12 ka hatramin’ny 14 isan-jaton’ny tosidràn’ireo bibin’ny laboratoara ireo. Ity phatile ity dia manampy betsaka ny eo amin’ny fanalefahana ny hozatry ny lalandrà ka manamora ny fikorian’ny rà. Io valin’ny fikarohana io izany no manamafy ny fampiasan’ny Raiamandreny tany aloha ny Céleri amin’ny fiarovana amin’ny fiakaran’ny tosidrà. Ankoatra izany dia fantatra fa mampihena betsaka ny tahan’ny « catécholamine » ao amin’ny rà ihany koa ny fisian’io singa voalaza eo ambony io. Ity farany ity moa no « hormone » manana ny fiantraikany eo amin’ny tebiteby (stress) izay miteraka indrindra ny fiakaran’ny tosidrà. Eny na dia voalaza aza fa misy sira ny Céleri, dia ilaina ny mahalala fa misy potasioma ihany koa ao anatiny izay miaro amin’ny tosidrà ambony, sy ny olana aterany eo amin’ny aretina toy ny romatisma sy ny godro ary aretin’ny voa.
Ny Céleri sy ny Homamiadana.
Fantatra fa betsaka ny “fibre” ary misy mineraly sy ny “oligo-élément” toy ny “selenium” sy “chrome” ny Céleri ka manamora ny fikorian’ny sakafo sy ny fanamorana ny fandevonan-kanina izany. Manampy izany dia misy haro « acétylénique » ao amin’ny Céleri izay miaro amin’ny fitomboan’ny sela voakasiky ny homamiadana.
Zavatsoa samihafa.
Miteraka fivalanan-drano betsaka ny fihinanana Céleri, ka izany no nahafantarana fa azo ampiasaina amin’ny fikorontanana ateraky ny aretim-pivalanandrano ihany koa ny Céleri, ary miasa amin’ny romatisma sy ny arthrite. Manamafy ny vavony ary manadio ny voa ny Céleri, nefa koa dia manentana ireo taova madinika mifandray amin’izany (glandes endocrines). Ny voany dia manafoana ny ny rivotra any anaty tsinay ka mahomby indrindra eo amin’ny fiarovana amin’ny fahasarotan’ny fahalevona-kanina.
Ankoatra izany dia miasa amin’ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny sohika sy ny bronchite ny voan’ny Céléri.
Anisan’ny sakafo tsy mitondra angovo be loatra ny Céleri, nefa misy Kalsioma sy vy ary vitamina samihafa (toy ny A, ny B ary ny C), izay tena ilain’ny taovan’ny olombelona mihitsy.
Ny fihinanana ny tahon’ny Céleri manta dia manampy amin’ny famokarana ny « testostérone » izay manome vahana ny famotsorana ny antsoina hoe « androstérone » izay singa mpanentana ny hozatra izay hita any amin’ny hatsembohana.
Famintinana.
Tsy misy kaloria firy ny Céleri. Eny na dia manentana ny fahazotoan-komana aza izy, dia manampy betsaka amin’ny fandevonana ireny sakafo be angovo ireny.
Ilaina amin’ny fanadiovana ny taova rehetra ao amin’ny vatan’ny olombelona ny Céleri noho izy mampivalandrano matetika. Miaro ny fo ny Céleri ary mampihena ny tosidrà ambony. Toy izany koa dia mihena ny tahan’ny Choléstérol ao amin’ny rà.
Ary ny farany fa tsy ny kely indrindra dia miaro amin’ny aretin’ny antitra ny Céleri, na ilay aretina antsoina hoe Alzeimer, na Parkinson, izany hoe ireo aretina mikiky ny atidoha ka manakana azy tsy hiasa ara-dalàna intsony.
Tsy misy ny tonga lafatra nefa fahavoazana lehibe ny tsy fahalalana. Raha sery vitan’anamalaho ve hividianana vantotr’akoho ?
Nangonin’i RA. M.