Baolina kitra / Fitaovam-pitoriana
MIVOATRA HAINGANA
Efa mivoatra haingana tokoa ny momba ny baolina kitra ankehitriny. Sehatra ifandrombahana mba hitoriana ny fivavahana arahin’ny mpilalao ny baolina kitra.
KRISTIANA SY SILAMO
Nandritra ny fiomanana hiatrika ny Mondialy 2014 tany Brezila, dia samy niomana fatratra ny Kristiana sy ny Silamo mba hanely koa ny fivavahany.
Ny Silamo dia nihevitra hanaparitaka Coran miisa 250.000, voadika amin’ny tenim-pirenena espaniola, portiogey, anglisy, frantsay. Napetrany tany amin’ny hotely lehibe sy ankalamanjana ary teny an-kianja ireo Coran ireo.
Tamin’io Coupe du monde 2014 io, dia natahotra mafy ny Frantsay, satria nilatsaka tao anaty Ramadan io Mondialy io. Ireo mpilalao frantsay sasany anefa dia Silamo, toa an’i Ribery (izay tsy afaka nanao noho ny fahavoazany), ry Benzema.Ny Kristiana dia nanao toy izany ihany koa. Ny Breziliana dia mihevitra mihitsy ny baolina kitra ho fivavahana. Eo ny fanaovana mari-pamantarana hazo fijaliana rehefa miditra ny kianja na mahafaty baolina. Ao ny manao akanjo anatiny misy soratra hoe “an’i Jesoa aho”, toa an’i Kàkà.
HEVITRY NY MPILALAO KRISTIANA
XAVI izay mpilalaon’i Barça dia nilaza fa, “Barça dia fivavahana any Catalogne, ary ny baolina kitra dia fivavahana izay mitady hoe Iza no Andriamanitra ivavahana ao”. Ambaran’io mpilalao malaza ao amin’i Barça io fa, ny fahatsaran’ny Spaoro dia mitaky fampiharana ireo zavatsoan’ny Kristianisma: mahalala onony, mitandrina, mahatozo, miasa,…
Tsy maintsy mitandrina ny vatany ny mpilalao amin’ny alalan’ny fotokevitra moraly (madio fitondrantena, ohatra); manaja ny vatana nefa tsy ho toy ny sampy. Ankoatra ireo zavatsoa azon’ny tsirairay, dia mitondra zavatsoa iombonana koa ny spaoro: miaraka tafita, tombontsoa iraisana, firaisankina, firindrana, fitiavana ny fiombonana, fanaovana sorona ny lazan’ny tsirairay mba hahasoa ny lazan’ny rehetra.
Ity mpilalao malaza ity dia manolotra ohatra momba izany. Manaiky hosoloina ny tena; mijanona eny an-tsisiny rehefa hita fa mahay sy ao tsara ny mpilalao eny ambony kianja; mampahery ny ekipa maratra; manaja ny mpilalao andaniny.
CAVANI, lohalaharana ao amin’ny PSG, dia nilaza fa, “atleta ho an’i Kristy aho, milalao ho Azy, hanome voninahitra Azy, hankasitraka Azy noho ny fahaizana baolina nomeny ahy”. Ity mpilalao ity dia mandinika Baiboly isanandro miaraka amin’ny vadiny, mba hiaina ny Tenin’Andriamanitra.
FIHETSIKY NY MPILALAO KRISTIANA
MESSI, heverina ho iray amin’ny mpilalao mahay indrindra eran-tany ankehitriny, dia tsy manadino mihitsy manondro ny lanitra amin’ny tanany, isaky ny avy nahafaty baolina. Toy izany koa no ataony rehefa hiditra ny kianja izy. Fijoroana vavolombelona kristiana izany.
KAKA, ballon d’or 2007, dia Evanjelista sady mpilalao baolina kitra. Ao ambanin’ny maillot anaovany dia misy T-shirt ahitana soratra hoa “an’i Jesoa aho”. Ingainy io maillot io ary asehony io soratra io, isaka ny avy mahafaty baolina izy. Tsy menatra mihitsy ity mpilalao ity mivavaka eo ambony kianja rehefa avy mandresy ny ekipa breziliana. DROGBA, dia nandohika nivavaka ihany koa rehefa nandresy ny ekipany.
HEVITRY NY FIANGONANA
Tamin’ny taona 2004, dia naorin’i Papa Jean Paul II ny rantsana « Fiangonana sy Spaoro” ao anivon’i Vatikana. Hitan’ity Papa ity fa, misy fiombonana, fiderana, fihetsehampo, hira, fitalahoana ny tsara ho an’ny ekipa, fanilihana ny ratsy eny ambony kianja, rehefa manao baolina. Toy ny any am-piangonana mihitsy ireo mpijery baolina mihira tsy mijanona mba hampahery ny ekipany, na midera azy noho ny zavatra tsara vitany teny ambony kianja.
Tandremana tsara anefa ny tsy hahatonga ny baolina kitra ho toy ny fivavahan’ny fanatika. Satria dia hatramin’ny taona 1988, dia misy ny Fiangonan’i MARADONA, manana ny Didy Folony azy manokana, manana ny Fanekem-pinoany azy manokana, ary misy mpino sy mpidera azy manokana koa.
Efa mandeha mantsy ny fitsikerana fa, fivavahan’ny fanatika ny baolina kitra. Lasa mpivavaka jamba tsy mahay mihaino afa-tsy ny azy ihany ny mpanohana azy. Ary ireo mpilalao fanta-daza dia ataony toy ny Kristy Izay ivavahana mihitsy: mampitovy laharana sy akanjo aminy, mampitovy taovolo aminy.
HEVITRY NY FIFA
Nandritra ny Coupe du monde tany Brezila ny taona 2014, dia namoaka Fitsipika ny FIFA fa, tsy azo ekena ny propagandy rehetra eny ambony kianja. Ny andininy 22 dia toy izao: “Ireo mpilalao na solontena ofisialy dia raràna tsy mahazo mampiseho hafatra na filamatra ara-politika, ara-pivavahana, na an’ny tena manokana, amin’ny akanjo na fitaovana (kitapo, zavatra fisotroana rano, valizy fitsaboana, …).
Tsy vitan’ny FIFA kosa anefa ny tsy hampamaky ny hafatry ny Papa François tamin’io Mondialy 2014 io, tamin’ny fotoam-panokafana izany. Midika izany fa, mbola sarotra ny hanakana ny fivavahana tsy ho hita eny ambony kianja, indrindra fa ny baolina kitra mihitsy ankehitriny no efa misolo toerana ny fivavahana, na efa karazana fivavahana vaovao.
A.Zaka, Mpitandrina