ANTSIRABE/ Ohatra amin’ny fandraisambahiny

 SP Andrefana Atsimon’Ankaratra Miara-dia

Atao ho ohatra amin’ny fandraisana Fivoriambe eo anivon’ny FJKM. Tao amin’ny toerana iorenan’ny trano fiangonana FJKM, ny KAtediraly MAhafaly FAhazavana (KAMAFA) Vatofotsy Antsirabe, no nandraisana ny Synoda Lehibe faha-XVIII notanterahina ny 17 ka hatramin’ny 24 Aogositra lasa teo. Manana trano fianarana izy eo ankilany antsoina hoe :« Lycée Privé KAMAFA ». Tao amin’ireo trano roa ireo no nanatanterahana ny fivoriana samihafa nandritra ny herinandro.

Ny Lycée Privé KAMAFA :

 Toerana nampiantranoana ny vahiny  Trano lehibe misy rihana roa sy efitra maro ity sekoly ity. Tao amin’ny efitra samihafa no nampiantranoana ny vahiny. Samy nisy kidoro “éponge” maromaro avokoa mameno ny efitra rehetra natokana handraisana ny mpamonjy Synoda.Natokana sy nakambana efitra araka ny sokajy niaviany avy ny rehetra. Nisy, ohatra, ny efitra natokana ho an-dry masera Mamre izay nitrotro am-bavaka andro aman’alina tao aminy ny fizotry ny Synoda.Samy afa-po ny rehetra izay niantrano tao amin’io toerana io teo amin’ny lafiny efitrano, ary na nisy nivoha aza ny varavaran-kely ny alina dia tsy mba nisy ny moka nanelingelina ny mpiala sasatra natory. Tsara ny kidoro, tsara ny torimaso. Misy ihany aloha tsy ilaozan’izay tsy mahita tory, fa vitsy dia vitsy azo isaina amin’ny rantsan-tanana ihany izany. Ny toeram-pidiovanaAmin’ny maha sekoly anisan’ny moderina azy, dia nisy ny fotodrafitr’asa momba ny toeram-pidiovana ara-dalàna : na teo amin’ny toeram-pivoahana na ny trano fandroana. Niezaka namaha ny olana amin’ny fandroana ny mpampiantrano. Namirifiry be ihany ny maraina tao an-toerana, iaraha-mahalala ihany ny toetr’andro ao Antsirabe. Ho an’ireo olona izay tsy nahazaka rano mangatsiaka rehefa mandro dia nanomanana rano mafana izy ireo nanomboka amin’ny 5 ora maraina. Nisy foana io rano mafana io hatrany amin’ny 9 ora mahery, ary dia toy izay hatrany nandritra ny andron’ny Synoda. Ampy tsara ihany koa ireo fitaovana samihafa toy ny zinga sy ny siny plastika fitondrana rano.Ny trano fisakafoananaEfitrano lehibe sy malalaka no nampisakafoana ny mpamonjy Synoda. Efitrano voakarakara tsara fatratra tokoa : ny seza voarakotra lamba, ny latabatra tsara rakotra amin’ny endriny mahafinaritra. Toy ireny amin’ny efitrano fandraisam-bahiny mihaja ireny na amin’ny fety aman-danonana na mariazy ireny koa ny fahitana azy. Manampy izany ny lovia bakoly fihinanana lafovidy sy ny karazana sotro mbamin’ny antsy ampy tsara avokoa. Tena tomombana ny fitaovana nampiasaina.Ny sakafo indray, dia lavorary , tsara nahandro ary matsiro amin’ny ankapobeny. Sakafo izay heverina tokoa, fa ara-pahasalamana ary matetika notsinjovina ny faharerahan’ny rehetra. Ohatra, ny fanaovana laoka akoho rony indraindray. Nisy ihany koa, ohatra, ny fanaovana sakafo manokana, toy ny tamin’ny andron’ny alahady 21 Aogositra ( Ny atoandro sy hariva). Nisy hatramin’ny fihinanana mofomamy aza. Nisy ny omby iray novonoina mbamin’ny kisoa sy ny akoho amam-borona nandritra ny andron’ny Synoda. Tsy tapaka ihany koa ny tsindrin-tsakafo. Ny mpahandro sy mpandroso sakafo : Ezaka lehibe no nataon’ny mpampiantrano. Nisy ny fandaminana nataon’ireo fiangonana niisa 13 tao anatin’ny Synodamparitany. Niara-nientana ny mpianakavin’ny finoana rehetra ka nifandimby ny nampisakafo ny vahiny ary samy nahatontosa ny anjarany avy. Nanampy hatrany kosa ny mpino tao amin’ny KAMAFA.Ireto avy ireo fitandremana ireo : KAMAFA, Antsirabe Fitiavana, Ambohimandroso Filadelfia, Ambohimena Fanantenana, Vinaninkarena, Ivohitra, Aumônerie, Ambano, Andranomanelatra, Ambohibary Antsongo, Betafo, Ambalavao, ary Talata Andraikiba. Mendri-piderana tokoa izy ireo. Niisa 70 olona no niara-nientana niasa amin’ny fampisakafoanana. Nakarina ho 90 mihitsy aza izy ireo ny andro faharoa.Mahafinaritra ihany koa ny mahita ny fanamiana indraindray nanaovan’ireo mpandroso sakafo. Ny fandraisana olona miaraka amin’ny tsikitsiky feno fanajana dia anisany miavaka tokoa. Mahay mandray vahiny ny havana kristiana ao Antsirabe.Ny toeram-piasana samihafa : Nisy ihany koa ireo birao samihafa voatokana : ny an’ny Mpandraharaha Foibe izay nisahana ireo tahirin-kevitra sy taratasy samihafa ilaina ho amin’ny fampizorana ara-dalàna ny fivoriana rehetra ; ny an’ny Biraon’ny Synoda, ny mpikarakara ny fifidianana, ny biraon’ny fisahanana andraikitra ho an’ny mpampiantrano,sns. Nasiana efitra voatokana ihany koa hisahana ny vonjy taitra na ny tsy fahasalamana samihafa.Zava-dehibe tokoa io satria nisy ihany ireo olona izay tena nila izany. Ny trano Fiangonana KAMAFA Anisan’ny trano fiangonana FJKM lehibe eto amin’ny firenena izy. Mirefy 60 m miampy 5 m misy ny tilikambo ny halavany, 20 m ny sakany ; 13 m kosa ny haavony. Mahazaka olona manodidina ny 1000 izy. Ny dabilio iray ao aminy dia ampy ipetrahan’olona fito. Tamin’ny taona 2006 no nanorenana azy ary hanamarika ny faha-10 taonany ihany koa izy amin’ity taona ity. Toeram-pivoriana : - Tao amin’ny trano fiangonana tamin’ny ankapobeny no nanatanterahana ny fandaharam-potoana rehetra. Nanomboka tamin’ny fotoam-panokafana ny alarobia 17 Aogositra io ka hatramin’ny fifidianana natao farany sy ny fanakatonana tamin’ny fomba ofisialy ny Synoda. Voakarakara fatratra ny toerana sy ny dabilio, izay isan’isany avy misy latabatra anoloany.- Nisy ihany koa ireo efitra nampisaina nivoriana toy ny tao amin’ny Lisea KAMAFA, izay nampiasaina toy ny tamin’ny fivoriam-baomiera sy ny nitokanan’ireo Mpiandraikitra Foibe, ny alin’ny talata 23 hifoha ny Alarobia 24 Aogositra, nifidy ny ho Biraony. Nilamina ny toeram-pivoriana tamin’iny Synoda Lehibe iny. Fiantsonan’ny fiara Anisan’ny nampiavaka fandraisana ny vahiny mamonjy izao Synoda Lehibe tany Antsirabe ny rindran-damina tamin’ny toerana fiantsonan’ny fiarakodia. Lehibe sy midadasika ny faritra iorenan’ny KAMAFA Vatofotsy Antsirabe. Nalamin’ny mpampiantrano ny fidirana tao an-toerana : ny iray teo amin’ny nisy ny vavahady roa mifanila manoloana ny andalovan’ny lalam-pirenena, izay natao ho fidiran’ny olona sy fiara vitsivitsy ; ny vavahady faharoa fidirana kosa dia teny ambany atsimo izay mizara ho roa ny fiantsonana, dia ny ambony toerana ankilan’ny Lisea izay toy ny tokontaniny sy ny toerana teny ambany izay hita amin’ny sary. Nizotra soa aman-tsara tokoa ny fandaminana ary tsy nahitana olana. Araka izany, dia tena mety amin’ny fandraisana fivoriane lehibe ny FJKM toy izao iny toerana nosafidiana tao Antsirabe iny.FandriampahalemanaHentitra ny fandaminana napetraka mba hitandroana ny fandriampahalemana nandritra ny valo andro nanatontosana ny synoda lehibe tao Antsirabe. Ny Sampati avy amin’ny fiangonana efatra, KA.MA.FA. Antsirabe – Antsirabe Fitiavana – Filadelfia Antsirabe – Ambohimena Fanantenana, no nisahana tanteraka izany. Izay no nahitana azy ireo niambina teny amin’ny vavahady fidirana tao amin’ny KAMAFA ary nanara-maso ireo olona nivoaka sy niditra, na ihany koa tao anatin’ny toerana. Teo ihany koa ireo mpitandro ny filaminana sivily na “sécurité” nanampy azy ireo.Tsikaritra ihany koa teny ivelany ny faritra ireo mpitandro filaminana polisy zandary vitsivitsy nanao ny andraikiny. Synoda lehibe hizotra an-tsakany sy an-davany ao anaty filaminana sy fitoniana tanteraka no tanjona nokendrena tamin’ity andiany faha-XVIII ity. Gazety FOIBE FJKM Marturia Vavolombelona lah 843