Akon’ny Synoda/ 17 Aog 21
SL-XIX / Talata 17 Aogositra maraina.

Tanteraka omaly 16 Aog 2021 takariva ny fifidianana Mpiandraikitra Foibe ( Mpitandrina fiodinana voalohany). Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny filohan ‘ny Biraon’ny Synoda lehibe faha-19 , Andriamatoa RABEVITA Saina Mpitandrina dia : ho fantatra rahampitso18 Aog 2021 hariva raha sitrapon’ Andriamanitra izay ho Filohan’ny FJKM sy izay fanapahan-kevitra lehibe hitondrana ny fiainam-piangonana . Natao androany maraina 17 Aog 21 ny fiodinana faharoa amin’ny fifidianana ireo Mpiandraikitra Foibe Mpitandrina. Notontosaina ny hariva kosa ny fifidianana Mpiandraikitra Foibe Mpampianatra TPM, manaraka izay ny ho Mpiandraikitra Foibe Laika. Aorian’ izany dia izay ho Filohan’ny FJKM sy ho Biraon’ny Mpiandraikitra foibe. Mifanindran-dalana amin’ ny fanisam-bato ny fanapahan-kevitra mahakasika ny asam-baomiera natao. Mitohy mivavaka hatrany ny fiangonana ho amin’ izany asa izany.
Ekipa AFIFAB