AKAFITA /Orphelinat

HAFATRA ALAHADIN’NY AKANY FIALOFANA TANGAINA

« Ary ny zanany hahazo fialofana.. » Oha 14,26b.

Io no teny manentana ny AKANY FIALOFANA TANGAINA amin’ny asa masina fitaizana zaza kamboty tanterahin’ny FJKM ety Ampitatafika ambony. Andriamanitra tokoa no FIALOFANA tsara indrindra ka taratr’izany ny asa fiahiana tanterahintsika eny antoerana. Anisan’izany fiahiana ny ara-tsaina. Isaorana ny Tompo fa afaka mianatra any an-tsekoly ny ankizy rehetra ary misy aza ny efa mihofana arak’asa. Hatreto dia tena tsara ny vokatry ny fanadinana ara-panjakana. Mahavelom-panantenana izany.

Ho an’ny fiahiana ara-panahy koa dia miezaka isika. Vita batisa avokoa ny ankizy rehetra ary roa vavy izao no manomana ny fandraisana azy ireo ho mpandray ny fanasan’ny Tompo. Ny fiahiana ara-pihetseham-po koa dia tsy ambanin-javatra satria mahazo tohana ara-psykolojika ireo tanora ao. Ny ara-nofo sy ara-batana moa dia tsy azo atao tsinontsinona rahateo. Miezaka isika hanome sakafo ara-pahasalamana araka izay azo atao ireo zanatsika. Hatreto dia mivelona amin’ny fanampiana tanteraka ny Akany.Tanjontsika ny hanana fidiram-bola raikitra ao aoriana kely saingy amin’izao fotoana izao aloha dia zava-dehibe ny fisian’ny fotoana toy izao mba ifampaherezana sy ifanohanana. Iaraha-mahalala ny fahasahiranana iainana ankehitriny, saingy tompon’ny zavatra rehetra moa ny Andriamanitsika koa Izy no nihazona antsika rehetra mandraka ankehitriny.

 Araka izany dia toy ny tokantrano rehetra ihany, rehefa nandalo ny krizy samihafa ny firenena, dia mba tojo fahasahiranana ihany koa ny akanintsika. Andriamanitra no miahy ny asany ka mino isika fa ho fiorenana amin’ny asa tsara dia isika rehetra ihany no ratsatanany hifanampy amin’ny fiatrehana izao andro sarotra izao aminay. Te- haneho fisaorana feno antsika rehetra tsy namela anay ho irery tao anatin’izao fotoantsarotra izao, namangy sy na nanao rakitra Alahady AKAFITA ary nanampy anay tamin’ny endriny samihafa.

Farany dia manentana antsika mpianakavin’ny finoana mba samy hisaina ny hananan’ny FJKM ny Akany fitaizana toy itony manerana ny Synodam-Paritany rehetra. Satria tokoa dia tena betsaka ireo ankizy mila vonjy tokony ho raisina an-tanana saingy tsy maharaka ny tolotra. Rehefa voakarakara ireny zaza sy tanora ireny dia lavitra ny herisetra samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina ary manjary tonga mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiangonana. Manjary lasa olom-banona mahaleo tena sy tompon’andraikitra. Izany rahateo no tanjontsika raha manabe ny ankizy isika. Samia mahereza ry Havana!

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amen!

Ny Filohan’ny Filan-kevi-pitantanana

ANDRIANAINA Eric Mpitandrina

Ny Talén’ny Akany Fialofana Tangaina

RANDRIANAIVOARIVELO Beby Hasina

NB: Ny RAKITRA na fanampiana hafa dia azoaterina mivantana eny amin’ny AKANY FIALOFANA AMPITATAFIKA AMBONY, na aterina ao amin’ny FOIBE FJKM varavarana 202 na koa arotsaka amin’ny KAONTY BOA 11001110295 (Akany Fialofana)

………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………….

FANDAHARANA IOMBONANA

Efesiana 1. 2,3

  1. FISAORANA SY FIDERANA
    SALAMO FIDERANA: SAL. 91.1-9
    HIRA FIDERANA: 14
    VAVAKA FIDERANA:
  2. FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA: Efesiana 2. 8,9,10
    “Sambatra ny mahitsy làlana, izay mandeha araka ny lalàn’I Jehovah; sambatra izay
    mitandrina ny teny vavolombelona ka mitady azy amin’ny fony rehetra.”
  3. FIAIKEN-KELOKA: VAVAKA FIFONANA
    HIRA 235: 1,2,3
  4. FAMELAN-KELOKA ATOLOTR’ANDRIAMANITRA: Sal.34.18, 19, 22
    “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany; Sambatra ny olona
    izay tsy isain’I Jehovah heloka sady tsy misy fitaka ny fanahiny.”
    HIRA 317: 1,3
  5. FANAMBARANA NY FINOAN’NY FIANGONANA
    Fiaraha-manonona ny Fanekem-pinoana Apostolika
    Feon-javamaneno
    Hira 305:1,4
  6. ASAN’NY FIANGONANA
    RAHARAHAN’NY FIANGONANA
    FAMAKIANA NY HAFATRA ALAHADY AKAFITA
    RAKITRA: 310
    Vavaka fanolorana ny rakitra
  7. FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA:
    HIRA 808:1,2
    5MN S.A. « Mofon’aina »
    VAVAKA fangatahana ny fitsilovan’ny Fanahy Masina
    VAKITENY: II Samoela 9.1-13 / Lioka 6. 27-36 / Hebreo 10.19-26
    HIRA: 823:1,2
    TORITENY
  8. VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SY
    FANGATAHANA + Vavaka nampianarin ‘ny Tompo.
  9. FAMARANANA
    HIRA FF 24: 2
    TSODRANO
    Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.
    Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

LISITRY NY FIANGONANA NAMANGY SY /NANAMPY


 FJKM Tangaina Fanantenana
 FJKM Soanierana
 FJKM Ifaliarivo Ambanidia
 FJKM FMF Anosizato Andrefana
 FJKM Antanetibe Fitiavana
 FJKM Antanetibe Fitiavana
 FJKM Andrainarivo Fahasoavana
 FJKM Andavamamba Kristy velona
 FJKM Amparibe Famonjena
 FJKM Amparibe Famonjena
 FJKM Ambohitrandraina
 FJKM Ambohimiadana
 FJKM Ambanidia
 FJKM Ambalavao Isotry
 FJKM Adrainarivo Fahasoavana
n FJKM Ziona Vaovao Paris
 FJKM Anosizato Hebreona (+ Sampana 8)
 Filohan’ny FJKM
 Fikambanan’ny Tanora Zokiny FJKM Ankadifotsy
 FDL FJKM Tangaina Fanantenana
 Dorkasy Tsarafara Sabotsy Namehana
 Dorkasy S.P.I.A
 Dorkasy FJKM Tangaina Fanantenana
 Dorkasy FJKM Rasalama
 Dorkasy FJKM Ambohinaorina Sabotsy Namehana
 Dorkasy FJKM Ambohidroa
 Dorkasy FJKM Ambodiala Peniela Fahazavana
 Dorkasy Ankadikely
 Dorkasy 4 Trano (Atsimon’Imahamasina,
 Diakona sy Loholona SPAA 10
 DIAKONA FJKM Paroisse International
Ankadifotsy, Ambonin’Ampahamarinana,
 AMPIFITIA FJKM Isotry Fitiavana
 AFIFAB FJKM
 AFF sy VFL Ambohidroa Antehiroaka
 VMFP FJKM Amparibe Famonjena
 VMFF FJKM Amparibe Famonjena
 VFL FJKM isotry Fitiavana *FJKM Ankadimbahoaka
 Vehivavy Kristiana Canada Quebec
 Vaomiera Sosialy FJKM antanetibe Fitiavana
 Vaomiera Sosialy FJKM Antanetibe Fitiavana
 STK Zokiny Amparibe Famonjena
 STK FJKM Amparibe Famonjena
 Sekoly Alahady FJKM Amparibe Famonjena
 Sampana Taniketsa FJKM Amparibe Famonjena
 Sampana Mpiangaly zava-maneno
 Sampana Mena (Mpanazava) Afo St Michel Itaosy
 Sampana Fifohazana FJKM Ambohibao Ziona
 SAFIF FJKM Tangaina Fanantenana Dorkasy SPAA 10
 SAFIF FJKM Tangaina Fanantenana
 Manarintsoa Namehana
 Lycée Privé FJKM Ambohimamory
Ifaliarivo Ambanidia)
 FMT2S FJKM Anosisoa
 Dorkasy FJKM Betlehema Fahazavana
 A.V.E.C Belgique
 Sampana Mena Mpanazava FJKM
Andohatanjona Fihavaozana
 Sampana Mena (Mpanazava) Fanilo Masina
Misely Itaosy
LISITRY NY FIANGONANA NANAO
RAKITRA
 FJKM Ziona Vaovao F. Imeritsiatosika
 FJKM Soanierana
 FJKM Soamiavaka Filadelfia
 FJKM Sanjanoro Fahazavana
 FJKM Rasalama Martiora Ampbohipotsy
 FJKM Manjakatompo
 FJKM Mandrosoa Ambohidavenona
 FJKM Malaza Fahazavana
 FJKM Malaimbandy
 FJKM Mahitsy Famonjena
 FJKM Karmela Ambohitrarivo
 FJKM Ifarihy Famonjena
 FJKM Fiadanana Martiora
 FJKM Fiadanana Martiora
 FJKM Fahadiovana Sahamaloto
 FJKM Betela Vaovao Maintirano
 FJKM Betafo Vavolombelona
 FJKM Atsimon’Imahamasina
 FJKM Antso Mahatoky fenoarivo
 FJKM Anosizato hebrona
 FJKM Anosivavaka
 FJKM Anosimasina Ziona
 FJKM Andohatanjona Fihavaozana
 FJKM Andavamamba Filadelfia
 FJKM Ampangabe Famonjena
 FJKM Amntanimarina
 FJKM Ambohimiandra
 FJKM Ambohimiadana
 FJKM Ambohimandroso Fahazavana M.
 FJKM Ambohimamory Malala orimbato
 FJKM Ambohimahitsy
 FJKM Ambohijatovo Fitiavana
 FJKM Ambohijanaka G.F
 FJKM Ambohidavenona
 FJKM Ambohibao Antehiroka
 FJKM Ambatonakanga
 FJKM Ambatonakanga
 FJKM Ambatolampy Fieferana
 FJKM Ambatoampy Antehiroka F.
 FJKM Ambalavao Isotry
 FJKM Almbohimiadna Fanilo
 Fianakaviana RAZAFISOA Clairefine
 Fianakaviana RANDRIANARY
 Ankohonana RAMINOSOA hoby
 Zanaky ny Fifohazana Tangaina F.
 sy RAHERIVOLOLONA
 STK Ambohipotsy
 SAFIF FJKM Tangaina Fanantenana

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..