AFIFAB / Fiombonana aina .
Ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao na ny AFIFAB-FJKM dia maneho ny fiaraha-miory sy ny fiombonana aina amin’ ireo namoy aina sy ny maratra vokatra iny loza nitranga tany Ankazobe iny ;
Andriamanitra, Ilay Mpampionona ambony indrindra anie hanasitrana ny Fery sy hampionona ny Fianakaviana. Izy, ilay tompon’ ny aina hamafa ny ranomaso latsaka rehetra sy hampatanjaka ny finoan’ ny tsirairay manoloana izao sedra mihatra amin’ ny fianakaviana sy ny fiangonana izao.
Ho fampiononana antsika ny Soratra Masina ao amin’ ny I Korintiana 1 :4 manao hoe :
« Izay mampionona anay amin’ ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay mitondra fahoriana kosa amin’ ny fampiononana izay ampiononan’ Andriamanitra anay ».
Eo anatrehan’ izany voina izany dia manainga antsika FJKM rehetra hifanome tànana, hahatsiaro ny maha-iray antsika rehetra ka hitondra ny anjara biriky na amin’ ny alalan’ ny fanomezan-drà, na ny ara-bola ka afaka manatona aty amin’ ny Foibe FJKM Analakely, varavarana 208, rihana faharoa, hifampitondra am-bavaka ka haneho ny fiaraha-miory amin’ izay Ory sy izay mitomany.
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain’ ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra II Kor. 1: 3
Numero M-VOLA avy @ Foibe FJKM handefasana ny fanampiana ho an’ireo #STK sy #SAMPATI #FJKM
Rehefa lasa amin’ io ny fanampianareo dia afaka manoratra SMS manamafy izany amin’ ity ianareo mba hahafahana manamarina izany: 034 96 209 32.