SP Antananarivo Atsimo / Fivoriambe I

FIVORIAMBE  VOALOHANY  2018

Hotanterahina ny Sabotsy 07 Aprily 2018 ho avy izao ny Fivoriambe  SP AA 11 voalohany  amin’ity taona ity , izay hatao  ao amin’ny FJKM Ankadimbahoaka .

Toy izao ny fandaharampotoana :

8.30 : Antsakira fiderana horedonin’ireo STK maromaro toy ny avy ao Soanierana , Ankadimbahoana , Morarano  sns…

Izany dia elanelan’ny Fampianarana Soratra masina mahakasika « ny fitafiana mahamendrika ny maha- kristiana » 

9.30 : Fanompoampivavahana araka ny Litorjy . Hisy ny fanolorana  Takelam-pahatsiarovana ho an’ireo Fiangonana sy Mpitandrina manana fanamarihana vanimpotoana manokana  amin’ity taona ity , izay efa hita rahateo ao amin’ny tetikandro SP .

Fotoana hitondrantsika amam-bavaka ny Ray amandreny President Synodal , sy hitondrantsika ny fanomezana avy amin’ny isam-pitandremana  ho fanohanantsika azy mianakavy – Hisy ny fiaraha- mandray ny fanasan’ny Tompo aorian’izany rehetra izany .

Ny fiaraha-misakafo iombonana no hamaranana ny fotoana manontolo . Koa aza adinoina ny mitondra fitaovam-pihinanana  sy ny vola fitondra amin’izany .Dia tongava maro , mifampilazà. Ento ambavaka ny fotoanantsika .Ho Voninahitr’ Andriamanitra irery ihany .

« Sambatra izay olona mihaino ahy ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, ary miandry eo amin’ny tolambaravarako » Ohabolana 8.34