SP Afovoany andrefana 01 / SEFALA
Tontosa ny isan-kerintaonany
Tanteraka ny isan-kerintaonan’ny Sefala SP01, izay natao ny 17 – 19 Oktobra 2017 lasa teo, tao amin’ny FJKM Ambohitrinimerina Fanantenana. Mpiandry 30 mianadahy, Mpitoriteny 31 mianadahy ary Katekista 14 nahavita ny fianarany no navoaka sy notolorana ny Taratasy fanamarinana tamin’izany. VAVOLOMBELONA MPITOLONA AM-BAVAKA no anarana nisaloran’ity andiany ity. Avy ao amin’ny ivon-toerana 6 ao amin’ny synodamparitany izy ireo (Fenomanana, Ampangabe, Ambohipiaro, Ambihiboanjo, Ankonabe, Marotampona )
Niavaka ity isan-kerintaona ity satria dia tonga maro ireo Kristiana niatrika izany. Tao ireo efa nahavita ny fianarany kanefa mbola tonga miofana, tao koa ireo tanora maro izay mangetaheta hirotsaka hianatra. Fampianarana 4 sosona no natao ka voalohany dia ny hoe: “Ny endrika isehoan’ny valim-bavaka”, nentin’ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Zo Nantenaina, avy ao amin’ny FJKM Ankonabe sady talen’ny ivon-toeram-pampianarana ao Ankonabe. Ny faharoa dia ny hoe: “Ny antom-pisian’ny Mpitolona am-bavaka”, nalahatry ny Mpitandrina RASOAZANANAIVO Sahondra, ao amin’ny FJKM Miadampahonina Fahazavana sady Talen’ny Sefala SP01. Ny Alarobia 18 oktobra kosa ny fampianarana fahatelo, nitondra ny lohahevitra hoe: “Ny vokatry ny fitolomana am-bavaka”, novelabelarin’ny Mpitandrina RANDRIANARISAINA Harilaza, Prezida Synodaly, ary ny fahefatra farany dia ny hoe: “Ny valisoan’ny Mpitolona am-bavaka”, natolotry ny Mpitandrina RAKOTOARIMANANA Nirina, solontenan’ny Sefala foibe sady talen’ny FFP.
Tamin’ny fomba mahaliana tokoa no nanoloran’ny ivon-toerana tsirairay ny talentany, tamin’ny alim-piderana, na tamin’ny dihy izany, na tamin’ny hira sy fanentanana samihafa ka nila haharain’andro mihitsy. Namaranana izao isan-kerintaona izao ny famoahana ireo andiany “Vavolombelona Mpitolona am-bavaka”, niarahana tamin’ny solontenan’ny SEFALA Foibe ka nitarika ny fotoana tamin’izany ny Talen’ny sefala SP01, ary nitondra ny tenin’Andriamanitra kosa ny solontenan’ny Sefala Foibe. Ny Sal. 39: 6 – 13 no nakana ny hafatra ka nasongadiny tamin’izany fa ny Vavolombelona marina mahery vavaka dia mangina eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy maika handahatra, ary koa mino ny vavaka ataony amin’Andriamanitra ka tsy miahanahana. Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo no nanakatonana tanteraka ny fihaonana. Izay tena nampiavaka ity isan-kerintaona ity ihany koa, dia ny fandraisam-bahiny, izay tena fatratra sy nahafatra-po tokoa nataon’ny FJKM Ambohitrimerina Fanantenana, notarihin’ny Mpitandrina RAZAIMALALA Harisoa mivady.
Hanomboka indray ny taom-pianarana vaovao 2017-2018, amin’ny herinandro faharoa amin’ny volana novambra izao isaky ny ivon-toerana tsirairay. Ary efa miomana sahady koa amin’ny taom-baovaony ny SEFALA SP, amin’ny 17 janoary 2018, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ao amin’ny FJKM Ambohitrambo. Ary any amin’ny FJKM Ambohibe indray ny isan-kerintaona manaraka ny 9, 10 ary 11 oktobra 2018.
A.Zo Nantenaina, Mpitandrina