SP 38 / Fambolen-kazo 2018.

SYNODAMPARITANY ATSINANAN’

ANKARATRA FAHAZAVANA (FAHA38)

Nanatanteraka fambolen-kazo

Nifamotoana teo amin’ny ivon-toeran’ny Synodamparitany  Atsinanan’Ankaratra Fahazavana (38), ny Kristiana, ny Mpitandrina sy Katekista Delege  rehetra, ireo Vaomiera sy Komity isan-karazany ary ny  Sampana  ato amin’ny Synodamparitany, izay notarihin’ny Prezidà Synodaly NIRINARISON William Johnson Mpitandrina sy ireo Birao Mpiara-miasa aminy, hanatanteraka  fambolen-kazo, manodidina ny toerana misy ny tanin’ny FJKM  ao  Antampontanànan’Ambatolampy, ny Alarobia 31 Janoary 2018 lasa teo.

Nambaran’ny Prezida Synodaly teto  fa natao izao fambolen-kazo izao mba  ho fikajiana ny tontolo iainana, ka hahatonga ny tontolo ho maitso ary  indrindra ho fikajiana ny fananan’ny FJKM, aty an-toerana mba  hihariharian’ny voninahitr’Andriamanitra. Ny hazo fanao fefy no novolena, ka zanaka hazo  miisa  dimanjato sy arivo fototra(1 500) no voavoly, tao amin’ny  velaran-tany  mirefy  iray hektara (1Ha).

Tsy hijanona  amin’ny izao  fambolen-kazo  izao ihany  akory ny hetsika rehetra tanterahin’ny Synodamparairtany Atsinanan’Ankaratra Fahazavana, eo amin’ny fitandroana sy fikajiana ny fananan’ny FJKM aty an-toerana fa santatra am-bava rano ihany izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny hoe Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 5 taonan’ny synodamparitany, ka hametrahana ny Tsangambato  Lehibe.

RANAIVOSOA Andriniaina Nirina ( Ambolo Mikaroka)

Komity AFIFAB SP 38