SP 34 /FJKM Ziona Vaovao Andranofeno
MANKALAZA NY FAHA 15 TAONANY
« Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, » (3 Jaona 5)
Natao tao aminâny FJKM Ziona Vaovao Andranofeno, Synodamparitany Vonizongo Vavolombelona-SP34, izay misy ny Mpitandrina RAMINOARINOSY NIRY JIHA, ny Sabotsy 14 Desambra 2019, ny fotoam-pivavahana niderana anâAndriamanitra, nohonâny faha-15 taonanâny Fiangonana. Nitarika izany, ny Prezida Synodaly, ANDRIANJAKAMBOLAHARINAIVO Arnaud, Mpitandrina. Nitondra ny hafatrâAndriamanitra ny Tale AFF-FOIBE, ANDRIAMISAINA Landison Triomphe, Mpitandrina, ka ny Soratra Masina ao aminâny 3 Jaona 5 « Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, » no nataony lasitra, nakany hafatra.
Taminâny asa vavolombelona dia nisy ny fitokanana toerana fidiovana ho anâny Fiangonana, ary fiaraha-nisalahy no nahavitana izany ka nisaoranâny Mpitandrina RAMINOARINOSY NIRY JIHA ireo rehetra vy nahitana sy vato nananana ka nifarimbona taminâny nahavitana izany.
Nisy ny fifandimbiasam-pitenenana ka isanâireo nandray anjara taminâizany :
- Atoa RAKOTONARIVO ROBINSON (Dada RĂŽby), izay nitantara fohy ny lalanâny Fiangonana tao anatinâny 15 taona nijoroany.
- Rtoa RATEFINJANAHARY HAINGO, FILOHA Komitinâny faha-15 taona
- Atoa RAKOTOSON Tovo FILOHA SETELA (SEhatra TEolojika ho anâny LAika), izay nisolo-tena ireo mpiara-niombonâantoka (SETELA, OM (Operation of Mobilization), Ukey Scout, Tily Madagasikara, sns), izay niara-nisalahy ka nahatontosa ilay fotodrafitrasa vao avy notokanana.
- Ny solotenanâireo Fiangonana Kristiana maro misy ao Andranofeno
- Ny solotenam-panjakana notarihinâny Lehibenâny Distrika
- Sns.
Marihina fa mbola ao anatinâny sokajy âPoste dâĂ©vangĂ©lisationâ ny FJKM Ziona Vaovao Andranofeno, miaraka aminâireo Fiangonana manodidina azy, toy ny FJKM Firarazana sy ny FJKM Manerinerina.
Fiarahanâny rehetra nisakafo ho fiombonana aina no namaranana ny hetsika, ho voninahitrâAndriamanitra Fitiavana.
IMANOELA ËSFË