SP 11 / 50 Taonan’ny FJKM .

JOBILY VOLAMENA FJKM

Hanamarika ny TAOM-BOLAMENA  ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM ) ny vahoaka kristiana eo anivon’ny SP Antananarivo Atsimo .

Izany dia hatao  ny Sabotsy  11 Novambra 2017 , manomboka amin’ny 9ora sy sasany ao amin’ny FJKM Ankadimbahoaka .

Hisy ny Solotena avy amin’ny Komitin’ny Fankalazana  hitondra ny Hafatry ny Tenin’ Andriamanitra sy hanao ny fanentanana .Ny fandaharana feno notanterahina tany Antsiranana tamin’ny fotoam-panokafana no arahina mandritra izany fotoana izany .

Koa entanina isika vahoaka kristiana tsy ankanavaka  velon’ aina mahatratra izany vanim-potoana lehibe izany ho tonga marobe hifanotrona sy hanome Voninahitra an’ Andriamanitra .