FJKM Ambonin’Ampamarinana
TANTARA
165 taona lasa izay no navarina teo Tsimihatsaka ireo kristiana maritiora 14 mianadahy.
150 taona lasa izay no nisianâny Fiangonana voalohany teto AmboninâAmpamarinana
140 taona lasa izay no nitokanana ity trano vato fiangonana ity.
Ny tantaranâny fiangonana miompana aminâny fampahafantarana ireo olona mpanorina ny Fiangonana sy ireo nitondra azy ary ireo nanome aina sy nampivelatra azy no ho hitantsika ato aminâity pejy ity.

50 TAONA VOALOHANY (1864-1914) : Fiangonana miorina sy miorim-paka
Ny fisianâireo Maritiora 14 mianadahy taminâny 28 marsa 1849 no nitarika ny fiorenanâny Fiangonana teto an-toerana taminâny fanirahanâny LMS ny misionera Benjamin Briggs mivady, taminâny faramparanâny taona 1863 « hanorina Fiangonana ao AmboninâAmpamarinana ho fahatsiarovana azy ireo » ; teo koa ny fisianâny Renim-Piangonana telo, dia Ambatonakanga, Amparibe ary Analakely, taminâny taona 1861 raha tapitra ny « Tany maizina » fony Ranavalona I. Ireo Renim-Piangonana ireo no namatsy mpiangona ny Fiangonana folo najoro teto Antananarivo teo anelanelanâny taona 1861 ka hatraminâny 1869. Ny teto Antsahatsiroa/Ampamarinana dia mpiangona 25 avy tao Ambatonakanga notarihanâAndrianaivoravelona Josefa (29 taona izy taminâizay) sy mpiangona 80 avy tao Amparibe notarihan-dRainikotomanga sy Rainizafy-Rabako no nanorina azy ary nampianâny mponina sy ny manampahefana vitsivitsy tety aminâny tanĂ na ambony. Taminâny Alahady 05 oktobra 1864 no tafajoro tanteraka ny Fiangonana AmboninâAmpamarinana ary niova matetika ny toerany sy ny bikanâny trano nisy azy noho ny hain-trano niverimberina sy ny fitarozahanâny fanorenana ny tranovato. Ny Diakona voalohany taminâizany Fiangonana izany dia Ingahy Rainizafy-Rabako, Rainisoandrazana sy Rainitavy (mpirahalahy ireto roa ireto) ary Ralainarivo. Nitombo ny isanâny mpiangona dia nofidina ho Diakona koa Josefa Andrianaivoravelona sy Ralaitafika : ny taona 1865 io.  Ny 31 oktobra 1866 dia voafidinâny Fiangonana ho mpitandrina azy i Josefa Andrianaivoravelona. Tsy hitsahatra izany raha tsy ny 01 aogositra 1897, raha sesintany tatsy aminâny nosy La RĂ©union izy. Lasa renim-piangonana koa AmboninâAmpamarinana ka mitondra Distrika ny mpitandrina J. Andrianaivoravelona sy ny misionera B. Briggs : manomboka ety AtsimonâImahamasina ny « zana-piangonany » ka mipaka hatrany Mandridrano (Soavinandrina Itasy) any andrefana be any. Mavitrika ny Fiangonana sy ny Mpitandrina mandray fivorian-dehibe toy ny IsanâEnimbolana sy ny Isan-Kerintaona. Ny taona 1883 no nijoro ny Sampana voalohany teto am-piangonana dia ny Sekoly Alahady. Aoka ho tadidiana anefa fa talohanâny Sekoly Alahady dia efa nanangana Sekoly Andavanandro ny Fiangonana taminâny 1867 ka Ingahy Rainijonson no mpampianatra voalohany taminâizany. Ny 1891 no nitsangana tato am-piangonana ny Fikambananâny Tanora (STK hoy isika ankehitriny). Ny Bokim-Piangonana dia milaza koa fa nisy fito ny Diakona vehivavy taminâizany ary teo aminâny 100 teo no tontalinâny isanâny Mpandray.
Ny mpitandrina faharoa nitondra ny Fiangonana dia Andriamifidy, nanomboka ny 16 oktobra 1898. Efa diakona teto izy talohanâizay, voafidy taminâny 1868 niaraka tamin-dry Andriamanamizao sy Rainitandra. Taminâny andronâny mpitandrina Andriamifidy ny Fiangonana no nanary ny famoriam-bola arahina fanononana ampahibemaso sy tehaka rehefa manao vokatra ka niditra taminâny fanaovana « Rakitra mangina » ; teo koa ny hoe satria maimaimpoana ny fahasoavana avy aminâny Tompo dia tsy mba manao rakitra aorianâny Fandraisana AmboninâAmpamarinana. Izy koa no nampitsahatra ny fisianâny Diakona vehivavy teto aminâny Fitandremana (31 oktobra 1905) ary tsy niverina ny fisianâny Vehivavy diakona raha tsy taminâny desambra 1995.
50 TAONA FAHAROA, (1914 â 1964) : Fiangonana mihamatotra sy mivelatra hatrany
Ity vanim-potoana faharoa ity no niainanâny Fiangonana ny fahatsiarovana manetriketrika ny faha-75 taona namarinana ireo Maritiora sy ny Jobilinâny Tranovato, feno 50 taona taminâny 29 sy 30 marsa 1924, fony nitondra azy ny Mpitandrina Henri Randzavola sy ny misionera Rev William Evans. Teto koa no nandao azy ny mpitandriny fahefatra, dia Johanesa Rakotovao izany raha nahazo antso avy taminâny fiangonana Loterana nihaviany izy. Rehefa nahaleo tena ny Fiangonana Protestanta LMS fahiny dia lasa FKM no anarany ary nanaraka izany AmboninâAmpamarinana.
Nitondra ny Fiangonana ny mpitandrina Andriamifidy hatraminâny 19 oktobra 1922, andro nahafatesany. Taminâny androny no nitsangana ny Sampana Vehivavy Kristiana Dorkasy taminâny 1917. Nihamatotra hatrany ny Fiangonana : nitondra distrika izy, navitrika tao aminâny IEB sy ny fiatrehana ny asa hitambaranâny Fiangonana protestanta rĂ©formĂ© ho iray (ConfĂ©rence Intermissionnaire).
30 taona katroka no nitondranâny mpitandrina Henri Randzavola ny Fiangonana : 03 novambra 1923 ka hatraminâny 21 desambra 1953, andro nahafatesany. Taminâny androny no nitsangana ny SAMPATI XIXe (Janoary 1951) sy nahazoanâny Fiangonana ny orga Hammond, tsangambatonâny faha-100 taonanâny namarinana ny Maritiora izay nankalazainy taminâny 1949.
Nandimby ny mpitandrina Randzavola ny mpitandrina Johanesa Rakotovao, izay pastora loterana tany am-piandohana. Taminâny androny no nitsangananâny Sampana Vokovoko Manga (1959)sy nivoahanâny gazety Fianaran-tsoa. 430 no isanâny Mpandray voasoratra ho mpifidy taminâny fifidianana azy. Mpamita iraka matetika any ivelany ny mpitandrina Randzavola sy Rakotovao ka dia nisy loholona nisolo azy ireo taminâizany, tena mpisolo mpitandrina tokoa. Nanomboka ny taona 1953 dia ing. Rasolofo Joseph 1 no tonianâny Fiangonana ary tsy nitsahatra izany raha tsy taminâny avrily 1972 ; ny mpitahiry vola kosa dia RazafimbadĂ (1953-1957) nodimbiasan-dRasolofo Jean (1957-1967). Nanomboka ny taona 1958 dia tsy nisy intsony ny DistrikanâAmboninâAmpamarinana izay nanomboka taminâny 1864 fa lasa I4B. Nisy ray aman-dreny tena to teny taminâny Fiangonana taminâity vanimpotoana ity dia Ing Ratsisalovanina Edmond sy Raveloson Georges ary Rakotoarison.
50 TAONA FAHATELO (1964 â 2014) : Fiangonana miroso aminâny lalin-dalina kokoa aminâny asa fitoriana sy ny fijoroana vavolombelona
MMMmpitandrina roa no nifandimby nitondra ny Fiangonana dia Rakotonarivo sy Rasolomanana NehĂ©mie. Nanomboka ny volana aogositra 1968 dia nisalotra ny anarana FJKM Tranovato AmboninâAmpamarinana ny Fiangonana ary dia nitondra ny Sinodam-Paritany AmboninâAmpamarinana izy hatraminâny taona 1996. Nanomboka teo kosa izy dia tao anatinâny SP Antananarivo Andrefana.
20 taona no nitondranâny mpitandrina Rakotonarivo ny Fiangonana : 21 jona 1964 â 1984. Taminâny androny no nankalazana ny faha-100 taona nitokanana ny Tranovato ary nanoratra ny tantaram-piangonana nandritra izany zato taona izany izy. Nahatsiaro nanana ray aman-dreny am-panahy tokoa ny Fiangonana taminâny androny ary ny toriteniny no tena nitiavanâny mpiangona azy : nahay nitoriteny fatratra tokoa izy. Taminâny androny koa no nisandrahaka be ny Tanora ka lasa Firaisanâny Tanora Kristiana AmboninâAmpamarinana ny anarany dia niova vetivety ho «Tanoranâi Tsimihatsaka », ny Antokom-pihira kosa lasa «Feonâi Tsimihatsaka » ary nivoaka koa ny gazety «Tsimihatsaka Vaovao.» (marsa 1976).
Nanomboka ny 23 marsa 1986 ny nitondranâny mpitandrina Rasolomanana NehĂ©mie mivady ny Fiangonana ary mitohy mandraka ankehitriny izany. Niavaka ny fomba nahatongavany hiasa teto fa tsy mba fifidianana nataonâny Fiangonana fa tendry avy tany aminâny Foibe FJKM. Taminâny androny no nitsangananâny Sampana sy SampanaâAsa ary Asa tsy mbola nijoro : ny Sampana Fifohazana, nijoro taminâny 15 oktobra 1995, ny VFL herintaona taorianâio (14 desambra 1996), ny SLK taminâny 05 jolay 1998. Ny AFF dia nijoro taminâny volana septambra 1992 ; ny Mpandalina ny Fitoriana ny TeninâAndriamanitra (MFTA) dia nijoro taminâny 19 oktobra 1996, nitsangana taminâny 13 aogositra 1995 ny Chorale FIFIFA Tsimihatsaka, taminâny marsa 1994 ny Komitinâny Fifandraisana miandraikitra ny famoahana ny gazetin âny Fiangonana, taminâny avrily 1996 ny Komity misahana ny Tontolo Manodidina ny Fiangonana niova ho Komity misahana ny Fananana tato aoriana, nitsangana koa ny Komity teknikanâny Orga sy ny Komity misahana ny sahirana ary ny Vovonana Tsimihatsaka izay fivondronanâny Sampana rehetra mitaiza Tanora. Farany nitsangana taminâny 11 jona 1995 ny Fikambananâny Zanaka am-pielezana. Nisy Biraom-Piangonana impito nifanesy nandritra ity vanim-potoana farany ity.
Nanomboka taminâny 1995 ka hatraminâizao dia miantafika isan-taona ny Fiangonana aminâny alalanâny AFF ; singanina ireto manaraka ireto : Mahatsinjo Alasora ; Soavinandriana Itasy; Manakara; Soanierana Ivongo; Fihaonana Vonizongo; Fenerive Atsinanana, Manjakandriana, Antananarivo Renivohitra (Programa Pass it on/Ampitao ity) ; Miandrivazo ; Analaila Fandriana; Babay Vonizongo; Fandriana ; Beravina , Orimbato BongolavaâŠ