FJKM Amboditsiry Mifankatia (SP 19)

FANASANA

Manasa antsika mpianakavin’ny finoana mba hiombona amin’ny Fanompoampivavahana Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 150 Taona ny Fitandremana Amboditsiry Mifankatia , Synodamparitany Iarivo Avaradrano . Izany  dia hotanterahina ny Sabotsy 23 Novambra 2019 ,manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina,izay  hiarahana amin’ny Foibe FJKM sy ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano.

Ny Alahady 24 Novambra 2019 ,manomboka amin’ny 8 ora maraina , fanompoam-pivavahana Fiderana an’Andriamanitra izay hanasana ny Fiangonana manontolo,ny zanaka am-pielezana,ny taranaky ny Fiangonana Tongava maro. Izany dia hofaranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana.

Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra!

 « Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ny lovanao Andriamanitra ô, ary raha kotra izy dia novelombelominao  » Salamo 68:9