S.DORKASY / Lasy tselatra I

FANASANA

Miarahaba  anareo rehetra nahatafita soa  ny krismasy 2016  ka nahatratra izao taona vaovao 2017 izao . Ho taona hitomboana  mandrakariva  amin’ny fanompoana ny Tompo anie izao taona vaovao diavintsika izao .

Araka ny fandaharam-potoan’ny Foibe Dorkasy  dia hotanterahina ny ALAKAMISY 02 FEBROARY 2017 ho avy izao  ny Lasy Tselatra voalohany  amin’ity taona  ity . Izany dia hatao  ao amin’ny FJKM Ambonin’ Ampamarinana , SP Antananarivo Andrefana (SP AA 10). Ny fotoana dia hanomboka amin’ny 9ora maraina  ka hatramin’ny 2 ora tolakandro .

Koa manasa antsika rehetra  ho tonga hanatrika aizany fotoana izany .

Ny Birao .