Alahadin’ny S. Lehilahy Kristiana 2019.
HAFATRA HO ANâNY LEHILAHY

â Koa aza menatra ny ho vavolombelonâny Tompontsika ry lehilahy maheryâ( II Tim 1 : 8a ; Mpits 6 : 12b )
LEHILAHY MANANA FAHAMARINANA EO ANATREHANâNY TOMPO
Ho amintsika mandrakariva anie ny Fiadananâny Tompo.
« Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama aminâny zavatra rehetra anie hianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.(III Jao1 : 2)
. Izany teny izany no isaorantsika ny Tompo, ary iarahabana antsika indray aminâizao andro natokanâny Foibe FJKM izao hitrotroana am-bavaka ny SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA.Iarahabana ihany koa ireo SLK rehetra, indrindra fa ireo efa nahavita ny fanavaozana indray eo aminâny fitantanana ny SLK aminâny taom-piasana 2019 â 2023. Izany hoe : ireo efa nahavita ny fifidianana teny anivonâny Fitandremana, araka ny fandaminana natao teto anivonâny FJKM hoe ny volana Janoary âAprily no hanatanterahana ny fanavaozana rehetra eny anivonâny Fitandremana. Maniry indrindra ihany koa ny ahatanterahanâizany fanavaozana izany sy mitrotro am-bavaka ny eny anivonâny SYNODAMPARITANY izay hanomboka aminâity volana Mey ity ka hatraminâny volana Jolay.
Taom-piasana vaovao no hatrehintsika, koa mila fomba fiasa sy fitantanana mihatsara indray isika, izany hoe manohy ny asa vitanâny teo aloha ka manatsara izany mba hihamaroanâny lehilahy hanaraka atsika eo aminâny fitoriana ny Filazantsara. Hitondra tetikâasa vaovao ka hirindra araka ny fomba fiasanâAndriamanitra , ka ho lehilahy manana fahamarinana eo anatrehanâny Tompo lalandava isika. Araka izany dia ny volana Aogositra â Desambra no hanatanterahana ny fanavaozana ety aminâny Foibe koa ny anâny SLK dia ny 07 â 10 Oktobra 2019 no ho tanterahina ny Fihaonambe faha 11 ary ny 10 â 11 OKTOBRA 2019 no hiatrehana ny ZAIKABE izay samy hatao any MANAKARA Synodamparitany ATSIMO ATSINANA avokoa izy ireo. Maniry hatrany ny hiatrehantsika Lehilahy rehetra izany Fihaonambe izany mba .ahazoantsika mifaneraserana sy mifandray, ary mifanolo-tanana eo aminâny sehatra misy atsika avy. Koa mampahery antsika rehetra hatrany ny aminâny fitrotroana am-bavaka ny SLK Foibe eo aminâny asa izay notinapaka, dia ny famitana ny IVONTOERANA any Foulpointe, izay iandrasana ny anjara adidintsika araka ny fanampahankevitry ny KOMITY FOIBE, izay manangona izany isaky ny Synodamparitany.
Isaorantsika ny Tompo ihany koa ny aminâny fiaraha-miasanâny SLK Foibe sy ny SLK SP 37 momba nyfampitomboana ny machine fanaovana ny mofompandraisana, izay efa antitra tokoa, koa raha ny fandaminana dia tokony ho tonga eto an-toerana tsy ho ela intsony izany fitaovana vaovao izany. Isaorana isika ny aminâny fandrotsahana mandrakariva ny rakitra atao aminâizao fotoana hitrotroana am-bavaka ny SLK Foibe izao, izay naraikitra aminâity fandaharana Iombonana ity ny nandrotsaka izany nanomboka ny volana Martsa 2018 ka hatraminâny 04 Aprily 2019. Eo ihany koa ho antsika SLK SP, SLK Fitandremana, olona tsirairay nandrotsaka ny anjara IVONTOERANA na ny PAIKA 1 + 5 nanomboka ny taona 2013 â 04 Aprily 2019 ihany koa. Raha misy fanamarihana dia angatahina hatrany isika hiantso na hanoratra aty aminâny Foibe SLK hatrany.
Dia mahereza sy mahatanjaha fa ny Tompo momba antsika mandrakariva, mivavaha ka aza mitsahatra.
Ho anâAndriamanitra irery anie ny Voninahitra.
SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA: MITOMBO HO AMINâNY FAHATSARANA, MITOMBO AMINâNY FAHAMAROANA ARY MIRINDRA AMINâNY FOMBA FIASA
Antananarivo, faha 18 Martsa 2019
Aminâny anaranâny Birao Foibe SLK FJKM
……………………….
FANDAHARANA IOMBONANA
ALAHADY, FAHA 12 MEY 2019
« LEHILAHY MANANA FAHAMARINANA EO ANATREHANâNY TOMPO »
ï¶ Fidirana : HIRA Mijoro ny lehilahy
ï¶ Fiarahabana Apostolika : « Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana aminâny fahalalana tsara anâAndriamanitra sy Jesoa Kristy Tompontsika. »
ï¶ Fiderana sy fiantsoana ny anaranâny Tompo.
Fiangonana miara-midera anâAndriamanitra aminâity ALAHADY 12 MEY 2019 ity izay Alahady natokana hitondrana am-bavaka ny SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA manerana ny sahanâny FJKM. Ary hibanjinantsika ny lohahevitra hoe : « LEHILAHY MANANA FAHAMARINANA EO ANATREHANâNY TOMPO » Aoka hiara-midera ny Tompo isika aminâny :
o SALAMO faha 128
o Hira : 8
o VAVAKA FIDERANA SY FIFONANA
Fifampiarahabana : Arahabao ny manodidina anao : â Mandehana tahaka ny zanaky ny mazavaâ
( mipetraka ny Fiangonana)
ï¶ Fankalazana ny teninâAndriamanitra
o Hira : 206 : 1,2
o 5 min Sekoly Alahady : Hira sy fampianarana
o Hira : 790 : 1
o Vavaka sy vakiteny :
ï§ Genesisy 6 : 9 – 19
ï§ Matio 10 : 40 – 42
ï§ III Jaona 1 : 1 – 8
o Ray Masina ĂŽ !…..
ï¶ Hira 177 : 1 , 2
ï¶ TORITENY
ï¶ Hira : SLK
ï¶ Vavaka fangatahana + Rainay izay any an-danitraâŠâŠ
ï¶ Fanambaram-pinoana : Fanekem-pinoana Nikeana faha IV
ï¶ Asanâny Fiangonana
ï Raharaha +fanentanana samihafa + FAMAKIANA NY HAFATRA
ï Rakitra : Hira SLK / Sampana
ï Fanolorana ny rakitra : vavaka na Hira
ï¶ Asa Vavolombelona samihafa
ï Fotoananâny SLK
ï¶ Famaranana
HF 26 : 1 – 2
Tsodrano
Vavaka mangina ( mipetraka ny Fiangonana)
Trinite Masina
SOLI â DEO – GLORIA
TORITENY
III Jaona : 1 â 8
Jaona Apostoly no manoratra aminâny antsoina hoe : Gaio. Firariantsoa ho anâny fahasalamana, ary faniriana hahomby aminâny zavatra rehetra , sy hahomby koa ara-panahy. Tonom-bavaka sy firariana ho salama ara-batana sy ara- panahy ka :
1- MIHAZONA HATRANY NY FAHAMARINANA ( And 1 â 4 )
Fantatrâ i Jaona fa lehilahy mahatoky I Gaio eo aminâny lĂ la-marina izorany. Lehilahy mahatokyaminâny finoany anâI Kristy izay tanany, sy arahiny. Toa mampahatsiaro ny filazana anâI Jesoa ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Mihazona ny fahamarinana : azo adika ihany koa manakaiky anâI Kristy ho Tompo aminâny vavanao ianao; ary mino aminâny fonao, fa Andriamanitra efa nanangana azy taminâny maty dia hovonjena ianao. Fa aminâny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary aminâny vava no hanekena hahazoana famonjena. ( Romana 10:9 â 10 ). Hitanâireo rahalahy sy mpiara-manompo eo aminâny fiainana andavanandro izany fihazonana ny fahamarinana izany . Mandeha aminâny fahamarinana ety ivelany. Azo tsapain-tĂ nana eo aminâny fiainana manontolo ny fanehoana ny finoana ao anaty.
2- MODELY AMINâNY ASA TSARA ( and 5 â 7 )
NambaranâI Jaona jihany koa eto ny fahatsaranâny fandraisam-bahiny tanterahinâI Gaio, sy nyfamporisihana azy hanohy izany asa tsara izany hatrany. Niangaviana manokana izy mbahanampy ireo rahalahy sasany mba handroso aminâny fomba mendrika anâAndriamanitra. Hanao izany toa ny mampiantrano anjely. Izany hoe manao ny asa, toy ny manao izany ho anâAndriamanitra fa tsy ho anâny olona. Paoly koa dia manambara izany ao aminâny Kolosiana 3: 17 , 23 â Ary na inona na inona ataonareo, na aminâny teny, na aminâny asa, dia ataovy aminâny anaranâI Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora anâAndriamanitra Ray aminâny alalany. Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy aminâny fo, tahaka ny ho anâny Tompo, fa tsy ho anâolona,â Famporisihana antsika lehilahy hanao asa tsara; sy haneho ny tena ho fianarana aminâny asa tsara koa izany , fahamarinana tahaka izany no andrasanâny Tompo amintsika lehilahy. Aminâizay zavatra rehetra ataonao dia asehoy fa mpanomponâAndriamanitra ianao. Aminâny fotoana rehetra; aminâny toerana rehetra. Ary iainana ny andalan-kira ao aminâny hira faneva hoe : â Fitaratra aminâny asa , fitaratra aminâny teny â
3- TIA FIARAHAMIASA AMINâNY HAFA ( and 8 )
Fanehoana ho fijoroana ho vavolombelona sy famporisihana ataonâny apostoly Jaona eto.Fanehoana ny fahaizana mandray lesona ka haka tahaka izay nataonâI Gaio. Tsy ny haka tahaka fotsiny anefa fa hanaiky ho mpiara-miasa aminy mihitsy ihany koa. Tsy ho mpidera na ho mpankasitraka fotsiny ihany; fa ho sahy mandray andraikitra mihitsy. Hanana fitiavana ny fiaraha-miasa. Tsy ho mpiara-miasa fe mpiara-miasa fotsiny anefa, fa ho mpiara miasa aminâny fahamarinana. Mpiara-miasa afaka hanitatra ny ambain-dainâny fitoriana ny filazantsaranâI Kristy. Isanâny zava-dehibe aminâny firindrana aminâny fomba fiasa, ny fahaizana mandray andraikitrasy ny mizara izany aminâny hafa. Antoky ny fahombiazana izany, azo ampiharina aminâizao Perikopa aminâizao Alahadinâny SLK FJKM izao ny teny filamatra antsika hoe :
â LEHILAHY KRISTIANA MITOMBO AMINâNY FAHATSARANA; MITOMBO AMINâNY FAHAMAROANA.MIRINDRA AMINâNY FOMBA FIASA .â
Ho anâAndriamanitra irery anie ny Voninahitra .
FAMPAHATSIAHIVANA
A-Toy ny fanaontsika isan-taona, ny Rakitra aminâity Alahadinâny SLK ity diaharotsaka manontolo aty aminâny SLK Foibe, Trano Ifanomezantsoa Analakely , naharotsaka any aminâny BNI-CL Analakely aminâny Kaonty nomerao 01 113 4912 020 0 00.( ka mba alefa ny copie ny nandrotsahana azy, na antsoina ny 22 373 64). Raha toa ka misy ny fanamarihana na fahadisoana dia irariana ny hifandraisana mivantana ihany koa.
B- Ny tsangambatonâny faha 30 taona dia nisy fanampahankevitra noraisinâny KOMITY FOIBE izany hoe ireo solontenanâny SLK SP , taminâny fivoriany voalohany ny taona 2015, ny fandraisanâny SLK SP ny EZAKA FANOHIZANA NY IVONTOERANA . Koa angonina any avokoa ny anjaranâny SLK SP ka arotsaka aty aminâny Foibe avy eo.