Arsiva FJKM / Hira maintimolaly II .

FANASANA.

-Ny Filoha sy ny Komitin’ny  Arsiva  sy Tranombakoka FJKM.

-Ny Tale sy ny Mpiara-miasa aminy .

-Ny Fikambanana mpanohana ( Satrana )

dia faly manasa  ny Mpitandrina sy ny Mpianakavin’ny finoana ho tonga  hanotrona ny Amboarampeo Hira Maintimolaly FFPM , andiany faharoa ,  izay hatao ao amin’ny FJKM Ambonin’ Ampamarinana  ny Alahady  23 Jolay 2017 , amin’ny 2 ora sy sasany .

Ireto avy ny Antoko mpihira handray anjara :

– Orimbato, Ambatonakanga

-Taniketsa, Ambonin’ Ampamarinana

-Amboarampeo,  Faravohitra

-ATAM , Anjanahary

-Maintimolaly , Anjanahary maritiora

-Aina , Ambohipotsy

-STK , Soanierana

-Feon’ny fiadanana , Fiadanana maritiora

Hisy ny fandraisana  famandrihana ny Kapila mangirana ny hira maintimolaly amin’ny vidiny 6 000 ariary.

« Hitako ny làlantsara ka izorako ,

azoko ny famonjena ka hotanako tokoa »