ALAHADIN’NY MASERA MAMRE F.J.K.M /16 OKTOBRA 2016
FIARAHAMIAINA AMIM-BAVAKA
MASERA MAMRE F.J.K.M
FANDAHARANA IOMBONANA
Manana toerana telo ny Mamre F.J.KM
Foiben-toerana FIARAHAMIAINA AMIM-BAVAKA MAMRE F.J.K.M LOT VS 58 Ambavahadimitafo 101 Antananarivo 22 217 32 032 54 068 08 033 05 280 52
Moria (Peniela), VS 56 Ambavahadimitafo 101 Antananarivo Toeram-piofanana sy fandraisam-bahiny 033 72 412 79 032 64 367 22 034 98 029 73
Horeba, Lot C 79A Ambohinaorina Sabotsy Namehana Antananarivo – Avaradrano Toeram-pisindana sy fandraisam-bahiny 032 49 643 69 034 71 646
…………………………………………………………………………………………………..
FANDAHARANA IOMBONANA
Feon-javamaneno
1- Fiarahabana Apostolika : “ Ho aminareo izay olom-boafidy araka ny fahalalana rahateo, izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, ho amin’ny fanarahana sy ny famafazana ny ran’i Jesoa Kristy; Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana”. Amen (IPet.1:2)
2- Fiderana an’Andriamanitra : (Sal.145:1-7) Hira 167
3- Vavaka fiderana sy fisaorana
4- Fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra : “Ary Mosesy dia mpanompo mahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola ho lazaina; fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana. Ary misikina ka manompoa ahy; rehefa vitanareo izay rehetra nandidiako anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo tsy maha-soa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay”.(Heb. 3:5-6; Lio.17:8b,10) “ Sambatra ny mahitsy lalàna…” Hira 470: 1,5
5- Fiaiken-keloka : Ry Andriamanitra ô, indreto izahay manetry tena eto anatrehanao, miaiky ny fahantranay sy ny fahotanay. Tsy nanome Anao ny voninahitra tokony ho Anao izahay. Nandika ny lalànao masina izahay. Tsy mba nikatsaka ny fanjakanao sy ny fahamarinanao mihoatra noho ny zavatra rehetra izahay. Tsy tia ny namanay tahaka ny tenanay izahay. Rendrika tao anatin’ny fakam-panahy izahay ka ny fahotana izay tokony hankahalanay no nankamamianay sy sahinay natao teo imasonao. Ry Rain’ny famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay: mamelà ny helokay, diovy izahay ho afa-pahotana, havaozy ao anatinay ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao. Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy no angatahanay izany. Amen.
Vavaka mangina Hira 417:2,4
6- Famelan-keloka : Hoy ny Tompo:” Satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehako, Izaho efa nihaino. Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Ahy ianao. Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao, ary tsy hotsarovako ny fahotanao”. Voavela ny helokareo noho ny Anarany masina. Miderà ny Tompo “Sambatra ny olona izay voavela ny helony…”
Hira 424:1,3,4
7- Fanekem-pinoana (laharana fahatelo )/ Feon-javamaneno
8- Filazan-draharaha : Rakitra (Hiran’ny Antokom-pihira)
9- Fanolorana ny Rakitra : Hira 441:1,3,6
10- Tenin’Andriamanitra : Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora
Hira F.F6
Vavaka mialohan’ny vakiteny Soratra Masina :
Eks. 39:32-43 – Lio.17: 7-10 – Heb. 3:1-6
Hira 786:1,4
11- Toriteny
Vavaka mangina na feon-javamaneno
12- Vavaka fangatahana:
ANTOM-BAVAKA -Hivavaka isika ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. -Entintsika amim-bavaka ireo biraon’ny mpiandraikitra Foibe -Hivavaka isika ho an’ny asa fitoriana ny Filazantsara sahanin’ny Fiangonana -Hivavaka isika ho an’ny Fiarahamiaina amim-bavaka Masera MAMRE F.J.KM – Hivavaka isika ho an’ny Firenena.
13- Asa vavolombelona
Hira: 298
14-Tsodrano
Vavaka mangina
Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.Amen.
MAMRE
Tsy fanafohizan-teny akory ny MAMRE, anarana feno. Mety ho anaran’olona izy(Gen.14:24), ary mety ho anaran-tany(Gen.13:18 sy 18:1).
Araka ny Gen.13:18, dia nanorina alitara fanaovana fanatitra teo amin’io toerana io i Abrahama. Koa tsy mahagaga raha nahita telo lahy nijoro teo izy ao amin’ny Gen.18:1 dia nihazakazaka niankohoka sy niangavy azy ireo mba hiantrano ao aminy ary hanaiky ny fikarakarana atolony. Ary voalaza eo am-pamaranana ilay tantara ao amin’ny Gen.18:1-16, fa nampiantrano ilay anjely tokoa i Abrahama, izay nanambara taminy ny tenim-pahasoavana : “ Hiteraka Sara vadiny, izay momba”. Koa ny fiarahamiaina MAMRE dia toerana hihaonan’ireo Masera amin’Andriamanitra hihainoany tsy mijanona ny sitrapon’Andriamanitra sy ny tenimpahasoavany. Tsy izany ihany, fa toerana hikarakarana koa ireo vahiny izay trotraky ny dia lavitra amin’izao fiainana izao, ary handraisan’izy ireo indray ny hery vaovao.
HAFATRA
Ry havana, manonona ny fiadanan’ i Jesoa Tompo ho anareo rehetra izahay. Faly miarahaba antsika rehetra ny Masera MAMRE F.J.KM. Amin’izao Alahady natokan’ny Fiangonana F.J.KM hitondrana amim-bavaka ny Fikambanana izao dia manararaotra hatrany izahay manao antso ho anareo vehivavy mahatsiaro fa manana antso manokana ho amin’ny fiainana Masera mba tsy hisalasala hanatona ny fikambanana. Toy izao ny fepetra izay anombohana ny fifandraisana: . Vehivavy salama (vatana, saina, fanahy). . Manana antso ho amin’ny tsy fanambadiana, fiainam-bavaka, fiarahamiaina. . Mpandray fanasan’ny Tompo:19 – 35 taona . Nandalo kilasy fahasivy (3ème) farafahakeliny.