Hafatry ny Filoha /Jolay 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa na dia tena marina aza

Fa efa be ny asa vita,

Izay tena isaorana ny Tompo

Sy antsika rehetrarehetra

Nifarimbona, niasa

Tamim-pikelezana aina,

Tena mendri-piderana,

Fa tsy nahalala sasatra,

Fa namadika ny bainga,

Hisy vokatra tokoa,

-Eny, na dia marina aza

Fa efa be ny asa vita-

Dia tsy maintsy ambara tsotra

Fa mbola be dia be tokoa

Ny asa mbola miandry antsika.

Fa hoy ny Tompo:”be ny vokatra;

Fa ny mpiasa re no vitsy!”

Ary tena izay tokoa

No zava-misy iaraha-mahita.

Fa, na ny any ilavitra any,

Izay tsy mbola hita akory,

Tena any ankodahoda;

Na ny eto akaikintsika,

Ny manodidina eto aza,

Mbola tena asa be

Miandry antsika marimarina!

Koa tsy azontsika atao

Ny hihevitra sahady

Hiala sasatra, hiato.

Fa herezonao, ry Mpino:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI