Hafatry ny Filoha / Jiona 2017

Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara !

Fa izany dia izany

No faratampony tokoa

Ho fitiavan-tanindrazana

Fa ny firenena tiana

Dia asondrotra ho ambony,

Nefa ny ambony indrindra

Tsisy mihoatra ny any an-danitra !

 

Fa ny firenena tiana

Dia hasoavina ho tsara

Nefa tsisy tena tsara

Toy ny hoe i Jesoa no Tompo

Sy manjaka manontolo

Eto Madagasikara !

 

Fa ny firenena tiana

Dia iriana marimarina

Mba ho sambatra tokoa

tsy amin’ny hira fotsiny ihany,

Fa fahasambarana hahatratra

Ny amin’ny isam-baravarana !

Kanefa iza moa no sambatra ?

Ny firenena izay voalaza

Fa manana an’i Jesoa Tompo

Ho an’Andriamanitra inoany ,

Ka ireo Mpitondra, olon-tsoa

Tena minoa an’i Jesoa,

Ny vahoaka maro ana isa,

Miroso ho any Paradisa !

Ry olom-pirenena vanona :

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Irako  ANDRIAMAHAZOSOA AMMI  , Mpitandrina 

Filohan’ny  FJKM