Hafatry ny Filoha III / Jolay 2017 .
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA
Kâaza dia variana foana
Mihainohaino ny anâny hafa,
na minia tsy hahalala
âzao antso avo atao izao,
fa sahia manapa-kevitra
amâzay handray anjara.
Andao fa ny olona efa lasa
Nirotsaka nitety trano,
namakivaky lohasaha,
eny, nihanika ny havoana,
niampita rano be voay
mba hitory sy hanambara
ito Filazantsara !
Andao fa ny olona efa lasa,
ka miasa isam-bolana.
Ny fiangonana, ireo sampana,
Samy mihetsika, mandeha!
Ka ny akaiky, manodidina,
voatsiditsidika mazĂ na,
ny alavitra, tsy hadino
fâefa anaty tetikasa
sy tetibola maty paika.
Izany izao no ataonâny olona:
tsy eritreritra sy hevitra,
fâefa tena asa atao.
Ianao koa, mba mitsangĂ na:
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Irako Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina
Filohan’ny FJKM
Â