Hafatry ny Filoha / Feb 2020
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Ny tanjontsika dia mazava:
ity tanindrazantsika ity
tsy avelantsika raha tsy henika
amin’ny fahalalana tsara
Ilay Mpamonjy sady Tompo,
Dia i JESOA KRISTY !
Handeha isika dia hitory,
Hamory vokatra mateza
Ho an’ny Fanjakan’ny lanitra,
Dia lehilahy sy vehivavy,
Antitra ary koa tanora
Sy ankizy marobe
Manaiky fa handray ny Tompo!
Saingy tsy efan-teny izany
Fa hoheverintsika tsara
Na ny famonjem-panahy,
Na ny fiainana ara-nofo.
Fa ny olona rehetra
Sy ny olo-manontolo
No tsy maintsy heverintsika!
Mety tsy hanam-bola be
Avy hatrany angamba isika,
Nefa tena afa-miainga
Am’izay nomen’ny Tompo
Ka manomboka amin’ny kely
-tsy maninona mihitsy –
fa toy ny trano be atsangana:
biriky kely atambatambatra
no indro nahavitana ireny!
Koa mandrosoa, dia mahereza
VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO AMMI