Hafatry ny Filoha / Des 2019
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARAÂ !
Ny dikany? â Vontosy vavaka!
Mivavaha mba ho anao
Hahafahanao miaina
Ny finoana tena izy,
dia finoana latsa-paka
fa tsy ivelambelany ihany.
Dia mivavaha mba ho anao
Hahatonga anao ho sahy
Hizara koa ho anâny hafa
Ny famonjenâi Kristy.
Dia mivavaha mba ho anâny hafa
Mba hotahina koa ny fiainany,
mba tsy ho velombelom-poana
fa hiaina tena fiainana
izay omenâi Kristy,
izay hany sahy niteny hoe:
âIzaho avy mba hananana
Ny fiainam-be dia be!â
Dia mivavaha ka mba tsarovy
I Madagasikarantsika:
ireo mpitondra rehetrarehetra
samy hatahotra ny Tompo
ka hikatsaka tokoa
-tsy aminâny teny sy kabary,
Fa aminâny asa sy ny marina-
Ny hahasoa ireo vahoaka
Eo ambany fiadidiany!
âNdeha Ă ry, mivavaha:
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARAÂ !
IRAKO AMMI