Hafatry ny Filoha / Aog 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Ka na misy mafy aza,

Iza anefa no nilaza

Fa handeha an-kamorana

Ny ady amin’ny fahotana?

Moa tsy efa nolazaina

Fa hifamatra amin’ny aina

Ny tolona iantsoana antsika

Fa tsy ady mangatsiaka?

I Satana mantsy tsy hanaiky,

Ny mpomba azy tsy hiaiky

Hilavo lefona tsy akory,

Fa hiezaka hampahory

Ny Fiangonana mijoro;

Saingy isika tsy hikoro

Fa i Jesoa dia momba hatrany

Ny Fiangonany eto an-tany,

Izay nomeny fahefana

Mba handresy ilay Satana.

Isika izao no Fiangonany

Izay tiaviny, iantohany,

Hanefa iraka goavana

Handehanana hizahavana

Ireo olom-bery marobe

Mbola sitrany handre

Ny famonjeny mahafaly,

Ka ireo ory sy mijaly,

Mihosom-bovoka sy lavo

Ho tonga zanaky ny Avo.

O, zy zanak’Andriamanitra,

Ianao no iraky ny Lanitra:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO Andriamahazosoa AMMI ,

Mpitandrina , Filohan’ny FJKM