Vavaka iombonana 8

Fiankinan-doha tany Afghanistan

Tsy fandre matetika ny tantaran’i Qasim. Lehilahy avy any ambanivohitra lavitr’i Afghanistan ; Avy ao amin’ny foko tsy misy mpijery,
Amin’ny mahatanora an’i Qasim dia, nandeha namakivaky ny sisintany izy mba hiasa any amin’ny firenena silamo mifanila aminy. Nomena zava-mahadomelina izy tao mba hahavita asa be sy hahafahany miasa ora maro.
Nanomboka niankinan-doha tamin’ny zava-mahadomelina izy, Nefa koa nanjary tsy hamokatra firy intsony. Nosoloina mpiasa hafa izay mety hanaraka ny fomba fanararaotana mitovy amin’izany i Qasim, fa izy kosa niverina nody. Ny fiankinan-dohany tamin’ny zava-mahadomelina dia nitondra henatra lehibe ho an’ny fianakaviany, ka tsy nanao na inona inona taminy intsony izy ireo. Nipetraka tao ambanin’ny tetezana fivarinan’ny rano maloto izy niaraka tamin’ny lehilahy hafa mpidoroka toa azy. Tao anatin’ny 24 taona dia heverina fa manodidina ny 2.500, ireo lehilahy toa azy nahiliky ny ankohonany ka niaina tao amin’izany toerana izany.Ireo mpifoka rongony dia narian’ny fianakaviana satria henatra eo amin’ny fiaraha-monina misy azy. Nanana fanantenana ny amin’i Qasim anefa ny mpiasa tao amin’ny tobim-pitsaboana iray izay nanome fanampiana azy. Efa 4 taona mahery izy izao no afaka tamin’ny fiankinan-dohany ary ankehitriny izy dia miasa miambina ny iray amin’ireo toeram-pitsaboana ireo.Ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina dia niteraka olana tao Afghanistan, izay mpamokatra rongony lehibe indrindra eran-tany. Mitombo ihany koa ny olana eo amin’ny vehivavy sy ny ankizy, izay miaina ao anatin’ny fahantrana sy ny herisetra ary ny tsy fananana fanantenana.

Mivavaha isika :
• Ho bebe kokoa ny mpiasa hanompo sy hitondra fanantenana ho an’ireo mpidoroka ao Afganistana satria kely dia kely ny fahafahana mandre ny Vaovao Mahafaly. (Romana 5:5).
• Ho fanasitranana amin’ny fatorana lalina mahamenatra izay mitazona ireny olona malalan’Andriamanitra maro ireny, izay voafatotra amin’ny gadran’ny fiankinan-doha. (Salamo 34:18).
• Ho fiarovana ireo izay manampy sy manompo ny vahoaka sahirana amin’ny toe-javatra mampidi-doza manerana an’ity faritra ity. (Salamo 91:1-2).