Vavaka iombonana 9

Taona 2000 – Nampitony ny hambom-po ny Kristiana ka nivavaka ho an’ny Silamo

Efa ho 10 taona no nanatontosana Ny 30 Androm-bavaka ny taona 2000, ary tsy nitsaha-nitombo ireo nivavaka ho an’ny Silamo na dia tao anatin’ny vanim-potoana mbola nampamaivay fifandonan’ny tsy mitovy finoana aza izany. Mbola nampangirifiry ny maro ny karazana herisetra sy fifandonana tany Moyne Orient, Eoropa, Azian Afrika hatrany Amerika Avaratra. .Noresena ny lolom-po sy faniriana hamaly faty saiky tsy nisy farany. Rehefa nivavaka ho an’ny Silamo eran-tany ny Kristianina, na akaiky azy na lavitra, dia nalefaka ny fo, ary niova, ary naneho fitiavana bebe kokoa eny mety ho amin’ny fomba kely dia kely koa aza anefa.Ny 14 novambra 1940. Tanàna maro tao Londre sy ny manodidina no lasibatry ny taroka baomba n’ny Nazi izay naharitra adim-panataranandro 11. Anisan’ny potika tao i Coventry. Rava ny Katedraly St. Michael an-toerana. 600 mahery ireo anglisy namoy ny ainy ary nisy 400 hafa maty vokatry ny haintrano.Ny ampitso maraina, raha nitsidika ny faharavana ny vicaire Dick Howard, dia vitsy teny. Ny hany azony natao dia ny nanoratra tamin’ny teo amin’ny rindrina sisa tavela, tao ambadiky ny alitara, ny teny hoe “Ray Mpamela heloka”. Tsy niandany na nanampy ny Nazi akory ity Vicaire ity raha nanoratra ireo teny roa ireo fa mba tsy hampidirany antsika rehetra amin’ny fahotany sy ny filantsika manokana.Tsy naverina naorina tanteraka ny Katedraly Coventry raha tsy tamin’ny taona 1962, Nisy trano vaovao naorina teo anilan’izay efa rava. Ary ny teny hoe Ray Mpamela heloka dia voasokitra mandrank’ankehitriny eo ambonin’ny alitara. Tsy teny fotsiny anefa ireo. Ny ministeran’ny fampihavanana dia mifototra amin’izany satria nahakasika izao tontolo izao ny fiantraikany, anisan’izany Irak.Ny 11 septambra 2000 koa dia nisy ny asa fampihorohoroana tao Etazonia izay nitarika fifandonana an-taonany maro. Saingy ireo fisehoan-javatra ireo dia niteraka fitomboana lehibe teo amin’ny fandraisana anjara tamin’ny 30 Androm-bavaka ho an’ny Tontolo Silamo. Tanteraka izany rehefa nitady fomba hanohizana ny fampihavanana sy fijoroana ho vavolombelona momba ny Filazantsara ny Kristianina, araka ny nampianarin’i Jesoa antsika.

Mivavaha isika :
• Ho an’ireo Kristiana manolotena ho mpampihavana ary mampihavanana amin’ny Silamo. (Lioka 6:17-36).
• Ho an’ny Silamo izay miasa manolotena toy izany koa hampandry fahalemana sy hitondra fampihavanana na amin’ny kristiana na amin’ny hafa koa. (Isaia 1:18).
• Mba hisian’ny fanambarana lehibe kokoa momba ny asan’i Kristy ho fampihavanana izao tontolo izao. (2 Korintiana 5:18-21).