Vavaka iombon.2

Ho an’ ireo mpino Silamo

02 Aprily 2022 – Andro voalohany


30 taona izao no efa nisy ny hetsika 30 andro hivavahana ho an’ny Silamo maneran-tany, Vavaka tontosaina mandritry ny vanimpotoanan’ny Ramadan toy izao. Betsaka ny vokatra efa hita, valim-bavaka satria maro ireo Silamo niova fo, ka tonga mpanaradia an’i Kristy, noho ny kasik’Andriamanitra. Fa tsy nitsahatra nitombo koa ireo kristiana resilahatra hivavaka, maro koa ireo nanatevindaharana ny misionera ka nanaiky ho iraka Azia, Afrika ary Amerika Latina.
Ny sarimihetsika frantsay mitondra ny lohateny hoe “Of Gods and Men”, nivoaka tamin’ny taona 2010, dia nitantara ny tantaran’ny fikambanana Kristiana Monina tany Alzeria tamin’ny taona 1990, babo teo anelanelan’ny vondrona Silamo mpampihorohoro sy ny mponina Silamo tambanivohitra. Voaantso ireo Kristiana Moanina ireo ho tia sy hikarakara azy ireo. Noho ny herin’ny vavaka dia voakasika ny fon’ilay mpitarika Islamista mahery fihetsika.
Satria maro ny Kristiana tamin’ny taona 1990 no nivavaka nandritra ny 30 andro ho an’ny Silamo mba hanana nofy sy fahitana momba an’i Isa al-Masih (Jesosy), ny tantaran’ny valin’ireo vavaka ireo dia re eran-tany.

Mivavaha isika :

• Mba ho maro kokoa ny Kristiana hiara-mivavaka mandritra ny 30 andro – amporisiho ny hafa hiara-mivavaka aminao amin’ity taona ity ! (Jakoba 5:16).
• Ho an’ireo mpiasa Kristiana izay mandefa ny fangatahana sy ny tantaran’ity tari-dàlana ity, mba hahita ny vokatry ny asany sy ny vavaka ataonareo. (Efesiana 6:18).
• Ho an’ny Silamo mba hiaina ny fanatrehan’Andriamanitra amin’ny fomba vaovao amin’ity Ramadany ity. (Jaona 14:13).

Operation Mobilisation Madagascar