Vavaka iombonana 7

ANDRO 7

Wakhan, ilay làlana sady sisintany fonenan’ny Wakhi mahantra (Afghanistan)

Làlana mikotoantoana sady tery no mivoaka avy ao amin’ny sisin-tanin’i Afghanistan, mihazo an’i Chine ary mampisaraka an’I Tajikistan sy Pakistan. Làlana ara-barotra nandritra ny taonjato maro izy io, fa ny fifanarahana tamin’ny taona 1893 teo amin’ny Fanjakana Britanika sy Afganistan no namorona azy ho sisin-tany. Sisin-tany, saingy afaka andehanan’ny vondron’olona samihafa mipetraka any.

Ny vahoaka Wakhi any avaratra atsinanan’i Afghanistan dia avy amin’ny sekta Shia Ismaili antsoina hoe Nizaris. Tsy hita ho tena Silamo marina izy ireo raha miohatra amin’ireo Afghans hafa ary matetika no avahana, indraindray aza enjehina. Marihina fa tena mankahala azy ireo ny Taliban. Ny isan’ny Wakhi dia manodidina ny 50 000, ny 17 000 eo ho eo amin’izy ireo dia mipetraka ao amin’ny lalantsara Wakhan, ny sasany any amin’ny faritra mifanila amin’ny Tajikistan, Chine, ary Pakistan. Mipetraka ao ihany koa ireo 1500 taranaky ny mpiandry ondry Kirghiz izay avy any Afghanistan rehefa noforonina ny sisintany. Silamo Sunni hentitra izy ireo.

Ny toerana lavitra an’i Wakhan dia voasakana amin’ny fananganana fotodrafitrasa tsara. Tsy ampy ny fahafahana mitsabo, ny rano fisotro madio, ny herinaratra, ny fifandraisana na an-telefaona na Internet. Tena voafetra ny fahafahana mianatra. Mbola ratsy kokoa aza ny toerana misy ny Kirghiz. Ny faharavana (fahakiviana) no manamarika ny fiainan’izy ireo andavanandro.Tao anatin’ny roapolo taona farany, nisy andiana mpino nanana fahafahana nandeha tany amin’ny lalantsara Wakhan mba hizara ny Vaovao Mahafaly, na dia tsy misy fiangonana aza. Tamin’ny 2021, taorian’ny nialan’ny tafika tandrefana, nalain’ny Taliban haingana ny tanànan’i Wakhan – izay tena tsy nampoizina ary niteraka loza ho an’ireo niantrano tao izany.

Mivavaha isika :

• Ho an’ny fandriampahalemana sy fiarovana ny vahoaka monina ao amin’ny lalantsara Wakhan.
(Isaia 54:10).
• Ho an’ny voa ara-panahy naely tamin’ny lasa mba hitombo ao am-pon’ny olona (Matio 13:1-23).
• Mba hahafahan’ny mpanara-dia an’i Kristy hiaina eo anivon’ny Wakhi sy Kirghiz ao Wakhan indray, hizara ny Fitiavany (Andriamanitra) sy ny famonjeny. (Isaia 52:7).