Radio Fahazavana/Ivon-jobily 25 T

IVON’NY JOBILY VOLAFOTSY RADIO FAHAZAVANA

(1997 – 2022)

“Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao” Isa. 60: 1

            Fifaliana ho an’ny Komitin’ny “Jobily Volafotsy RADIO FAHAZAVANA” sy ny AFiFab-FJKM ny manasa antsika rehetra hiara-hankalaza an’Andriamanitra ny Ivon’ny Jobily izay atao amin’ireto daty manaraka ireto:

  • Sabotsy 17 septambra 2022 tontolo andro (amin’ny 9 ora)“RADIO FAHAZAVANA en live”, ka hanokafana ho antsika rehetra ny “Radio”, miainga avy eo amin’ny FJKM Ambatonakanga. Hisy ny hetsika samihafa ho fitadiavam-bola entintsika hanohanana ny Radio Fahazavana amin’io fotoana io.
  • Alahady 18 Septambra 2022 tolakandro (amin’ny 1 ora tolakandro): Fanompoampivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra, Ivon’ny Jobily, ao amin’ny FJKM Ambatonakanga.

Hisy ny “VALOMPIN-JOBILY” entitsika hanohanana ny “Radio” amin’ireo fotoana ireo ary manantena ny fahatongavantsika maro hifanohana sy hifanampy satria  antsika rehetra ny “Radio Fahazavana”.