Radio fahazavana / Fitetezam-paritra

 

Hanomboka ny hetsika mitety faritra

Efa ho herintaona mahery izao no nisokafany sy nandehanan’ny Radio Fahazavana. Ho fanohizana ny fampahafantarana izany fisokafany izany indray sy ho mba fanohanana azy, dia misy ny hetsika mitety faritra karakarain’ny mpiara-miasa rehetra ao aminy izay hanomboka amin’ny faran’ity volana oktobra ity ka hatramin’ny volana desambra. Toy izao ireo fandaharam-potoana amin’izany:

30 Oktobra : FJKM Avaratsena – Talatavolonondry

06 Novambra: FJKM Isotry Fitiavana

27 Novambra: FJKM Mahitsy Famonjena

11 Desambra: FJKM Ambatolampy Tampontanàna

Ao anatin’ny hetsika hotanterahina amin’ireo toerana 4 nosafidiana ireo, dia hisy tantara tsangana mitondra ny lohateny hoe: “ Ady varotra farany” holalaovin’ireo mpanao tantara ao amin’ny Radio Fahazavana. Handray anjara ihany koa ao anatin’ny hetsika ireo antokom-pihira ao an-toerana.

Ny andron’ny 18 Desambra kosa, izay hetsika farany kasaina hatao eto Antananarivo renivohitra, dia famaranana ny fitetezam-paritra, sy fisaorana ireo Fiangonana sakaiza sy mpiara-miasa; ary fanomanana ny faha-20 taonan’ny Radio Fahazavana ( 1997 – 2017). Fotoam-pivavahana no hotanterahina amin’io fotoana io.

Tsiahivina, fa ny 22 Aprily 2015 no nahazo alalana tamin’ny Fanjakana hisokatra indray ny Radio Fahazavana. Ny volana Jona 2015 izy no nanomboka nanao andrana teknika, ary ny volana Aogositra 2015 no nandefa fandaharana voalohany. Ny tarigetrany hatramin’izay ary tsy miova, dia ny “ Ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo”.

Ny 22 Avril 2015 no nahazo alalana tamin’ny fanjakana indray

ny Jona 2015 izy nanomboka nanao essai technique

ny volana Aogositra 2015 no nandefa fandaharana voalohany