« PRIX SYLVIA MICHEL »
Fikambanan’ny Vehivavy Mpitandrina
Fiofanana lehibe mitondra ny anarana hoe « Prix Sylvia Michel« no notanterahan’ny Fikambanan’ny Vehivavy Mpitandrina tetsy amin’ny espace IMAHO Ambohimangidy Ampitatafika ny Alarobia 26 sy ny Alakamisy 27 Martsa 2020 lasa teo.
Lohahevitra telo lehibe no nezahina novelabelarina sy niofanana tamin’izany, dia ny resaka Haitarika sy ny fanomezana lanja ny tena (estime de soi ) ary ny fahaiza-mandalina sy manao adihevitra momba ny teolojika. Tanjona amin’izao fampiofanana izao ny ahatonga ny vehivavy Mpitandrina ho vonona amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny lafiny rehetra na eo amin’ny fiangonana na eo amin’ny fiaraha-monina.
Toy izao ny andinindininy mahakasika ny « Prix Sylvia Michel« : Natao ho fankasitrahana ny vehivavy izay miasa ho amin’ny haitariky ny vehivavy ao anatin’ny fiangonana. Rtoa Sylvia Michel izay mbola velona hatramin’izao fotoana izao no namorona azy ity. Izy no vehivavy filoham-piangonana voalohany tany Eoropa ary avy any Suisse.
Tamin’ny 08 Martsa 2015 no nahazoan’ny Mpitandrina vehivavy roa dia i Rtoa Brigitte RABARIJAONA Mpitandrina sy Rtoa Yvette RABEMILA Mpitandrina ny mari-pankasitrahana « Prix Sylvia Michel« . Tamin’izany no nahazoana ny teti-bola hikarakarana ny fampiofanana izay natao hizarana traikefa ho an’ireo vehivavy Mpitandrina namany. Fanirian’ny Mpikarakara ny hanohy ny fampiofanana ho fizarana traikefa saingy miankina amin’ny fahitana mpiara-miasa.
Atoa ZARAZAKA Jean Louis Mpitandrina , Filoha Mpanampy Foibe FJKM tonga nanotrona ny fotoana famaranana ny fiofanana teny an-toerana, dia nanambara taorian’izao fiofanana izao fa ho tsapan’ny fiangonana tokoa ny fisian’ny Reny sady Mpitandrina no afaka hitondra tsara avo ny fanevan’ny fiangonana.
RaMahery