FOIBE/ Filazana fivarotana fiarakodia
Â
Fangatahana tolobidy
Ny Foibe FJKM dia mivarotra an’ireto fiarakodia ireto amin’izay liana amin’izany :
| N° fiara | Solika | Marika | Taona niasany voalohany | Tanjany | Tombany farany ambany (Ariary) | Fanamarihana |
| 9434 TAB | GASOIL | TOYOTA PRADO | 2000 | 12 CV | Ar 30Â 000 000 | Mandeha tsara |
| 0665 TAH | GASOIL | NISSAN HARBODY PICK UP | 2005 | 13 CV | Ar 20Â 000 000 | Mandeha tsara |
| 2682 TR | GASOIL | TOYOTA LAND CRUISER | 1994 | 17 CV | Ar 30Â 000 000 | Mandeha tsara |
| 7664 TU | ESSENCE | MAZDA DOUBLE CABINE | 1998 | 15 CV | Ar 12Â 000Â 000 | Mandeha tsara |
| 8708 TAH | GASOIL | PEUGEOT 405 BREAK | 1994 | 7 CV | Ar 4Â 000Â 000 | Mandeha tsara |
ary manao izao tolobidy misokatra ho an’ny rehetra tsy ankanavaka izao :
1-Ny vidin’ny fiara dia anjaran’izay hividy no mamaritra izay tombam-bidy ahasahiany azy miainga amin’ny tombam-bidy voafaritra eo ambony
2-Ny antontan-taratasy hanaovana ny tolobidy dia azo alaina ao amin’ny Foibe FJKM, Trano Ifanomezantsoa, Tohatohabato Ranavalona I, Analakely, varavarana 205, rihana faha2 rehefa avy nandoa ny vola 5000 ariary  tao amin’ny Caisse rihana faha 2 vola tsy averina intsony.
3-Ny fiara dia azon’ny mpividy jerena ao amin’ny CFD Ampandrana, isan’andro manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva, ka mampiseho ny fahazoan-dalana (alaina ao amin’ny varavarana 205) avy aty amin’ny Foibe , amin’ny mpiambina eny amin’ny CFD Ampandrana amin’ny fotoana hijerena azy.
4-Ny fiarakodia dia amidy amin’ny toetrany ankehitriny tsy misy fepetra.
5-Ny tolobidy, amin’ny tarehimarika sy an-tsoratra, dia hatao anaty valopy Kraft salasalany mihidy, efa voaomana amin’izany ary apetraka ao amin’ny Varavarana faha 205, voalaza etsy amin’ny andininy 2 ihany, alohan’ny Alakamisy 9 Febroary 2017.
6-Ny mombamomba ny mpanao tolobidy kosa (anarana, adiresy, fonenana sy toeram-piasana, N° telefaona sy mailaka raha misy), dia atao ao anaty valopy fotsy kely, mihidy efa voaomana amin’izany koa ary ampidirina ao anatin’ilay valopy lehibe etsy ambony. Hisy ny tapakila omena izay nanatitra tolobidy.
7-Ny tolobidy “mahazo mividy ny Fiara” dia ny tolobidy ambony indrindra, ary tsy latsaky ny vidiny voalaza eo ambony, raha toa kosa ka misy roa na mihoatra izany no nanao mitovy an’io tolobidy ambony indrindra io, dia asaina manao tolotra vaovao eo no ho eo izy ireo, ka raha mbola misy mitovy indray ny ambony indrindra dia hatao latsa-bato izay hahazo.
8- 15 andro aorian’ny fanokafana ny tolobidy, fara fahaelany no handoavana ny vidin’ny fiara, raha dilan’izay dia foana ny fifanekena ka atolotry nanao tolobidy ambony manaraka ny fiara, dia toy izay hatrany.
9-Ny saran’ny famindrana ara-panjakana sy ny lany rehetra mifanaraka amin’izany dia andraikitry ny mpividy.
Ireto no telephone hantsoina amin’izay Fiara mahaliana anao:
| N° FIARA | TELEPHONE HANTSOINA |
| 9434 TAB | 034 96Â 209 32/ 033 15Â 103 09 |
| 0665 TAH | 033 07Â 469 49 / 033 23Â 138 20 |
| 2682 TR | 033 23Â 138 20 / 034 63Â 011 82/ 032 61Â 375 38 |
| 7664 TU | 033 23Â 138 20 / 033 23Â 138 20/ 032 61Â 375 38 |
| 8708 TAH | 033 29Â 605 44/ 033 23Â 138 20 |
Â
Ny Sekretera Jeneraly
RADIMISAON Jonah, Mpitandrina
Â
Ny Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny Vola
ANDRY NIRINA Velosoa