Alahadin’ny AFIFAB 2020.

Fandaharana iombonana

1-Fiarahabana apostolika : 2 Ko 13.14

2-Fisaorana sy fiderana an’ Andriamanitra : Salamo 105.1-7

Hira 36.1,2

3-Sitrapon’ Andriamanitra : 1 Jao 2.3,5

Sambatra ny mahitsy làlana …

Hira 307.5

4-Vavaka fiaiken-keloka

Hira FF 33.1,3

5-Famelankeloka : Jao 5.24

Sambatra ny olona izay voavela ny helony ...

Hira 26.2

6-Fanekempinoana Apostolika: Lah faha-4

Fotoana ho an’ny ankizy sy tanora

7-Raharaham-piangonana sy Hafatra

Rakitra : Hira Antoko Mpihira na Sampana

Fanolorana ny Rakitra : « Ry Tompon’ny harena ô »

8-Soratra Masina

Hira 176.1,2

Vavaka

Vakiteny : Isaia 31.4-6/Lio 15.11-24/ 2 Tim 2.22-26

Hira 190.2

9-Toriteny

Hira (Antoko Mpihira)

10-Vavaka fangatahana

Hira 338

11-Tsodrano

Vavaka mangina

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina .

HAFATRA AVY AMIN’NY AFIFAB FJKM

Misaotra ny Tompo isika ry havana noho ny tolo-tsainy amin’ny fandavorariana ny asan’ireo Sampandraharaha rehetra eto anivon’ny Asa FIfandraisana sy FAmpahalalamBaovao (AFIFAB-FJKM) .Migadona indray ankehitriny ny andron’ny Fifandraisana FJKM . Fotoana natokan’ny Fiangonana hitondrana amam-bavaka hanehoantsika fiombonana sy firaisankina amin’ny alalan’ny fitondrana amam-bavaka sy hanohanana ny asan’ny Fifandraisana eto anivon’ny FJKM, izay irariana mba hanehoantsika fiombonana sy firaisankina amin’ny alalan’ny fitondrana amam-bavaka sy fanohanana amin’ny endrika hita maso.

Mino izahay fa efa mandre ny Radio Fahazavana isika eto Antananarivo , Ambatolampy, Toamasina,Mahajanga ary amin’ny alalan’ny Site Web manerantany . Efa mandeha koa ny televiziona online, ny FTV ary efa maro ny misitraka izany ary angatahana amintsika dia ny fitondrana amam-bavaka mba hahazoana manokatra ny Televiziona an’ny FJKM , mba hahazo alalana avy amin’ny fitondram-panjakana. Efa mijoro koa ankehitriny ny Fikambanan’ny Sakaizan’ny Radio Fahazavana Manerantany izay mametraka tanjona hanolo-tànana sy hanampy amin’ny fampandehanana ny Radio Fahazavana . Entanina araka izany mba hiditra ho mpikambana isika eto an-toerana indrindra sy any ivelany, satria ny firotsahantsika amin’izany no hampaharitra sy hampandeha ny Radio Fahazavana . Manasa anao hitsidika ny www. radio-fahazavana.org hihaino ny fandaharana mivantana sady koa hanaiky hiditra ho mpikambana ao amin’ny Radio Fahazavana Manerantany .

Isaorantsika an’Andriamanitra fa mahatratra ny faha-30 taona niorenany ny gazetintsika « Marturia Vavolombelona« . Ankasitrahana isika rehetra izay manohana sy mividy izany gazetin’ny fiangonana izany .

Hisy hetsika hatao izay ampahafantarina antsika rehetra fa amin’ny larobia 08 Aprily 2020 , amin’ny 9ora maraina ny Fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’ Andriamanitra noho izany fotoan-dehibe izany , izay hatao ao amin’ny FJKM Ankadifotsy ary hanasana antsika rehetra mba ho tonga maro.

Farany ry havana dia manentana antsika ihany koa mba hanangana ny rafitra AFIFAB isam-pitandremana sy ny isaky ny Synodamparitany ka hampita ireo vaovao samihafa aty amin’ny Foibe AFIFAB sy hiandraikitra ny serasera ao anatin’ny Fitandremana na ny Synodamparitany misy antsika .

Mahatoky izahay fa hanao ho zava-dehibe ny fanohanana ny asan’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny AFIFAB isika araka ny Tenin’ny Tompo manao hoe: « Raha fatra-paniry ny zava-panahy , dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra » 1 Kor 14.12b

Manonona ny fiadanan’ny Tompo ho aminareo rehetra .

Ny Filohan’ny Komity AFIFAB-FJKM Ny Talen’ny AFIFAB

RAFANONERANTSOA Valisoa , Mpit RAZAFIMALALA Tantely Hariliva