30Taona /Gazety Marturia Vavolombelona
FIFANINANANA SARY FAMANTARANA (LOGO)
FAHA-30 TAONAN’NY GAZETY “MARTURIA VAVOLOMBELONA”
Ho fiaraha-mientana sy ho fandraisana anjaran’ny mpianakavin’ny finoana eto anivon’ny FJKM manontolo, ny Asa Fifandraisana sy ny Fampahalalam-baovao (AFIFAB) eto amin’ny Foibe FJKM dia mampanao Fifaninanana famoronana sary famantarana na Logo, manerana ny sahan’ny FJKM, entina manamarika ny fankalazana ny faha-30 taona nivoahan’ny Gazety “Marturia Vavolombelona”. Ny teny faneva dia:” Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ny fafana”(Habakoka 2:2).
Ireto ny fepetra arahina amin’izany sary famantarana izany:
- Raisina ao amin’ny gazety”Marturia vavolombelona” no ahitana ny tapakila fandraisana anjara;
- Misokatra amin’ny mpianakavin’ny finoana ny fifaninanana;
- Atao amin’ny taratasy A4, ary tsy misy ahafantarana ny tompon’ny sangan’asa ny sary famantarana;
– Atao anaty CD iray ny “fichier jpg” tsy misy ahafantarana ny tompon’ny sangan’asa ihany koa.
– Loko iray ihany, dia ny MANGA no ilaina. Marihina fa azon’ny Komity atao tsara ny mitondra fanatsarana amin’izay sangan’asa voafantina;
– Ny Komity teknika no miandraikitra ny fitsarana.
Ny sary famantarana atolotrao dia atao ao anaty valopy mihidy miaraka amin’ny CD, Valopy kely iray kosa asiana ny taratasy ahitana ny : anarana, adiresy, laharana finday, ary ny tapakila avy ao anaty gazety “Marturia vavolombelona”, ka ampidirina ao anaty valopy A5 voalaza etsy ambony izay efa misy ny adiresy andefasana azy etsy ambany alohan’ny Alarobia 01 Aprily 2020 amin’ny roa ambin’ny folo ora atoandro :
AFIFAB FOIBE FJKM
Rihana faha-6, varavarana faha 603
Trano IFANOMEZANTSOA Analakely
Antananarivo 101 – BP 623
NY VALISOA:
- Ny voalohany : Famandrihana Gazety mandritra ny herintaona.
- Ny faharoa : Famandrihana Gazety Marturia Vavolombelona mandritra ny Enim-bolana;
- Ny fahatelo : Famandrihana Gazety Marturia vavolombelona mandritra ny telo volana.
Koa manantena ny fandraisana anjara mavitrika avy amintsika mpianakavin’ny finoana rehetra.