Ny fifidianan’Andriamanitra
"… satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena … » (and. 13)Nisaotra an'Andriamanitra i Paoly Apostoly satria isan'ny olom-boafidin’Andriamanitra ireto Kristiana tany Tesalonika ireto. Ny tanjon'izany fifidianan’Andriamanitra izany, dia famonjena amin'ny alalan’ny finoana sy ny fanamasinan’ny Fanahy Masina. Araka izany, matoa miantso sy mifidy olona Andriamanitra dia tiany hiorina amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy izany olona izany ka ho isan'ny olom-boavonjy. Mikendry famonjena ny antso sy ny fifidianan'Andriamanitra. Ka izay rehetra mandray izany antso sy fifidianana izany amin’ ny finoana an’i Jesoa Kristy no ho voavonjy. Koa aoka tsy hisaraka amin'ny finoana an’i Jesoa Kristy ny famaliana ny antso sy fifidianan’ Andriamanitra.
Ny fifidianan'Andriamanitra 1- Andraisana famonjena "… satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena … » (and. 13) Nisaotra…