Zava-mahonena no nihatra tamin’ny faritanin’i Galilia.

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Aprily 2024

Matio 4. 12-17

Matio 4. 12-17
12 Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy. 13 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy, 14 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: 15 Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa, 16 Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1). 17 Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

Zava-mahonena no nihatra tamin’ny faritanin’i Galilia.

Nahiliky ny maro i Galilia noho ireto antony ireto:

– Lasa nampidirana olona hafa tao aminy, izany hoe lasa nifangaro tamin’ny olona hafa mihitsy ny olona tao Galilia. Hany ka nolazaina mihitsy hoe i Galilia, tanin’ny Jentilisa (Jereo 2 Mpanj. 15. 29)

– Lasa nanana fomba fanonona teny niavaka tsy tahaka ny an’ny Israely rehetra ny Galiliana (jereo Mat 26.73)

– Lasa lalana nifamezivezen’ny olona maro sy fomba amam-panao maro samihafa tao, avy amin’ny tany atsinanana indrindra satria nisy toeram-piantsonan’ny sambo tao.

– Faritany tsy mba nisitraka izay fahazavana namirapiratra avy tany Jerosalema i Galilia ka tsy mba nanana izay zavatra fantatra sy niainan’ny faritra hafa.

– Tena nahonena indrindra ny toe-piainan’ny Galiliana satria nolazaina fa niaina tao anatin’ny aizina be izy ireo amin’ny lafim-piainana rehetra (and 16). I Isaia mpaminany dia milaza fa mbola mandeha amin’izany aizina izany ny olona ao (Isa 9. 1-2). Amin’izany dia very ny fahatokiany sy ny fanantenany hiatrehana ny fiainana.

Tsy mijery fotsiny izany Andriamanitra.

Eo anatrehan’izany anefa no nifidianan’ny Tompo azy mba honenana ka anambarany ny asany izay fahazavana sy hitondra ny mazava ho an’izay miaina ao anaty aizina. Izany no antony nifidianan’ny Tompo mba honina ao. Mariho ilay fifanoherana ambaran’i Matio mba hanehoana izany fanafahana izany: ireo izay niaina tao amin’ny maizina no hahita mazava satria hazavain’i Jesoa Kristy

Fanontaniana:

Mijery fotsiny ny haizina iainan’ny olona ve ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe