Zava-dehibe ny fanafahan’ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Jona 2023
Salamo 40. 11 - 17
Salamo 40. 11 - 17
11 Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.Zava-dehibe ny fanafahan’ny Tompo
1- Koa irio fatratra:
Davida no mitaraina sy miangavy amin’Andriananitra eto.Nahatsiaro izy fa mamesatra azy ny fahoriany tsy tambo isaina, ny heloka maro noho ny volon-dohany. Miangavy izy mba ho sitraky ny fon’Andriamanitra ny hamonjy azy. Nahoana moa isika anio no tsy ho sahy hiteny tahaka an’i Davida? Na inona na inona ary na manao ahoana na manao ahoana ny fahotantsika sy ny vesatry ny fahoriantsika dia ambarao ny Tompo izany anio. «Jehovah ó. faingàna hamonjy ahy». Fa hoy i Paoly hoe : «Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena» (Rom 10.13)
2- Fa mandray an-tànana ny fahavalonao
Maro fahavalo isika, indrindra rehefa manara-dia an’i Jesoa araka ny Tenin’i Jesoa hoe : «ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako…» (Mat 10.22). Na izany aza anefa dia afaka mivavaka tahaka an’i Davida isika mba handraisan’ny Tonıpo an-tànana ny fahavalontsika ka hanatanterahany ny voalazany sy ny fanomezan-toky nataony hoe : «Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon ‘ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho» (Eks 23.22). Tsy nisy mpanara-dia ny Tompo resy
izany. «Fa isaorana anie Andriamanitra, lzay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.» (1 Kor15.57)
Fanontaniana :
Inona avy no mety ho sakana tsy hiantsonao famonjena amin i Jesoa Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM