« Zanako ianao , Izaho niteraka anao androany «
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 24 Desambra 2020
SALAMO 2.7-12
SALAMO 2.7-12
7 "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. 8 Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao. 9 Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy." 10 Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany. 11 Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana. 12 Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.« Zanako ianao , Izaho niteraka anao androany «
1-Zanako ianao
Ity andinin-tsoratra Masina ity dia mampahatsiaro antsika ny fomba fomba fanao amin’ny fanosorana ho mpanjaka teo amin’Israely. Noheverina fa avy amin’ Andriamanitra no mahatonga ny olona iray ho tonga mpanjaka , hanana fahefana amin’ny firenena maro . Ary izany no niheverana azy ho « zanak’ Andriamanitra » . Nefa koa entina manondro an’i Jesoa , Ilay voahosotra , tena Zanak’Andriamanitra manana ny fahefana rehetra ety an-tany ka hatrany an-danitra . Andriamanitra mihitsy no nanamarina izany tamin’ny nanaovana batisa Azy (Mar 1.11/Lio 3.22) . Ny fandavana ny maha- Zanak’ Andriamanitra an’i Jesoa dia fikomiana amin’Andriamanitra . Fa izay manaiky ho eo ambany fahefany an-tsitrapo no atao hoe : manompo an’i Jehovah amin-tahotra (and11) .
2-Izaho niteraka anao androany
Ny hoe: « androany » dia milaza fotoana ankehitriny . Andeha horaisina amin’ny finoana fa miteny amintsika ny Tenin’Andriamanitra anio . Fa hoy ny voasoratra : »Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra dia izay mino ny Anarany » (Jao 1.12) . Ary koa : « Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika » (Rom 8.16) . Koa anio , raiso ho ao am-ponao Jesoa Kristy mba ho tanteraka aminao ny Tenin’Andriamanitra . Tsarovy fa ny zanak’ Andriamanitra no manana fahefana handresy ny herin’ny ratsy rehetra . Ny zanak’ Andriamanitra ihany no manana zo handova ny fanjakan’ Andriamanitra . Aoka tsy ho fahazarana fotsiny izao fankalazana ny fahaterahan’ny Mesia izao fa mba hahatonga fahateraham-baovao ho ahy sy ho anao tokoa.
Fanontaniana :
Midika inona eo amin’ny fiainanao ny fahaterahan’i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM