Voasoratra hoe: « Fa ny marina ho velon’ny finoany » Na: « fa ny marina amin’ny finoana no ho velona (and.4)

Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Septambra 2025

Sal 30.1-5 / Hira 5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 823.1

Habakoka 2,3 - 4
3 Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona. 4 Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon'ny finoany*.[Na: fa ny marina amin'ny finoana no ho velona]

Habakoka 2.3-4

Voasoratra hoe: « Fa ny marina ho velon’ny finoany » Na: « fa ny marina amin’ny finoana no ho velona (and.4)

Teny malaza ity teny ity. Voalazan’ny tantara fa ity teny ity, araka ny hita ao amin’ny Rom.1,17 no niteraka ny fiovam-pon’i Martin Lotera ka nisian’ ny fanitsiam-pivavahana amin’ny Taonjato faha-16. Samy marina ireo dikanteny roa ireo:

1. Ny marina ho velon’ny finoany

Izany hoe: marina izy satria mino an’Andriamanitra, dia manao ny marina. Ivelomany izany finoany izany ka izy dia tsy mba tahaka ireo izay voalaza hoe « feno avonavona ny fanahin’ireny fa tsy mahitsy ao anatiny » (and.4). Finoana iainana izany!

2. Ny marina amin’ny finoana no ho velona

Izany hoe: ny finoana ananany no anamarinana azy ka andraisany ny fahavelomana mandrakizay. Ary io no iray amin’ny fototra iorenan’ny fanitsiam-pivavahana: ny fanamarinana amin’ny finoana, izay hazavain’i Paoly ao amin’ny Rom.3,21-31. Nohamarinina tamin’ny finoana isika, fa tsy tamin’ny asa akory! Ny finoantsika ny asam-panavotan’i Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty ho antsika no anamarinan’ Andriamanitra antsika!

Fanontaniana:

Miaina ny finoana araka izany ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe