Voaporofo ny maha- Mesia an’i Jesoa

Mofonaina anio: Talata, faha 08 Desambra 2020

MATIO 1.1-17

MATIO 1.1-17
1 [Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy] Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2 Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy; 3 ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara; ary Fareza niteraka an'i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama*; 4 ary Rama* niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona; [*Gr. Arama] 5 ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an'i Jese; 6 ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria; 7 ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an'i Abia; ary Abia niteraka an'i Asa*; [*Gr. Asafa] 8 ary Asa* niteraka an'i Josafata; ary Josafata niteraka an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia; [*Gr. Asafa] 9 ary Ozia niteraka an'i Jotama; ary Jotama niteraka an'i Ahaza; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia; 10 ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka an'i Amona*; ary Amona* niteraka an'i Josia; [*Gr. Amosa] 11 ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona. 12 Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i Sealtiela*; ary Sealtiela* niteraka an'i Zerobabela; [*Gr. Salatiela] 13 ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima; ary Eliakima niteraka an'i Azora; 14 ary Azora niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Akima; ary Akima niteraka an'i Elihoda; 15 ary Elihoda niteraka an'i Eleazara; ary Eleazara niteraka an'i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba; 16 ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy. 17 Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.

Voaporofo ny maha- Mesia an’i Jesoa

Misy hevitra voizin’ny mpanoratra ao ambadiky ny tetiarana toy izao . Matio manokana dia maneho ny :

1-Fahatanterahan’ny teny fikasana

Ny filazana avy hatrany fa iJesoa no « Kristy zanak’i Davida, zanak’i Abrahama » dia manoporofo mazava , fa tanteraka ao Aminy ireo teny fikasana sy faminaniana maro samihafa momba ny Mesia , izay hita ao amin’ny Testamenta Taloha . Ny maha- zanak’i Abrahama dia maneho fa iJesoa no loharanon’ny fitahiana ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany (Gen 12.3) . Ny maha-zanak’i Davida dia midika fa mpanjaka ankasitrahan’Andriamanitra hanjaka mandrakizay Izy (Sal 132.11) , ary i Kristy dia manambara fa i Jesoa no fahatnterahan’ny famonjen’ Andriamanitra .

2-Fahaterahana ho an’izao tontolo izao

Anaram-behivavy dimy no hita ato amin’izao tetiarana izao ary endri-pifandraisana tsy ara-dalàna teo amin’ny fiaraha-monina avokoa no nahazoan’izy ireo zanaka (Tamara , Rahaba, Rota, vadin’i Oria, Maria ) . Asehon’i Matio eto anefa fa anisan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny fiavian’i Jesoa Ilay Mesia izy ireo . Araka izany dia mazava fa manana anjara ao amin’i Jesoa avokoa izao tntolo izao ary Izy mihitsy aza moa no nilaza fa « tsy tonga hiantso ny marina , fa ny mpanota » (Mat 9.13) . Koa andeha isika hanatona Azy sy hanaiky hateraka indray mba handraisantsika ny famonjen’i Jesoa Mesia .

Fanontaniana:

Afaka mandresy lahatra ny hafa amin’ny maha-Mesia an’i Jesoa ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM